Politique

Tolojanahary Maharavo « Tsy mbola resy ny DFP ! »


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Tsy mety mazava amin’ireo mpanara-baovao hatramin’izao ny tena tanjon’ilay vovonana Herin’ny fanovana nanao fihetsiketsehana matetika tato ho ato.

 Nitafa manokana tamin’ny gazety Tia tanindrazana nanazava izany ny filohan’ny dinika ho fanavotam-pirenena na DFP, Tolojanahary Maharavo na Doudou.

Tia Tanindrazana (TT) :

Tsy mazava amin’ny mpanara-baovao hatreto ny tanjon’ny Hetsika Herin’ny fanovana. Raha tsiahivina, tamin’ny volana jolay 2016 no niainga ny DFP. Niantso fifampidinihana handraisan’ny hery velona rehetra anjara ianareo  ary nantsoina ny teo anivon’ny fitondram-panjakana. Nilaza ianao tamin’izany fa rehefa miziriziry tsy mety hidinika ny fitondrana dia hiafara amin’ny fanonganana azy ny hetsika ataonareo. Inona no tanjona tianareo hahatongavana ?

 Tolojanahary Maharavo (TM) :

Tamin’izany fotoana izahay, vokatry ny fikaonan-doha nataon’ireo eveka dia nahita fa ilaina ny fifampidinihana. Raha tiana ny hivoaka amin’izao olana eto amin’ny firenena izao dia mila manao latabatra boribory fa efa tsy azo iainana intsony ny zava-misy ankehitriny. Niandry izahay fa tsy nisy vokany. Rehefa nandalo ny vondrona eoropeanina dia nanapa-kevitra izahay fa tsy maintsy hampidirina ao anatin’ny raharaha ny sehatra iraisam-pirenena. Mila avahana ny hetsi-bahoaka sy fanonganam-panjakana. Ilay voalohany dia zo fototra eken’ny lalàna sy ny sehatra iraisam-pirenena fa ilay faharoa kosa mifanohitra amin’izany. Izahay tsy hanongam-panjakana fa hanao hetsi-bahoaka ka raha izay no maharava io governemanta io dia tsy maninona.

TT :

Inona no tanjonareo taorian’ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana misahana amin’ny ady amin’ny fanjakana izay tsy nandray ny fangatahana ny fampiatoana ny didy nivoaka avy eo anivon’ny prefektiora mikasika ilay hetsika saika hotanterahanareo nanomboka ny talata teo ?

TM :

Ny fiandohan’ny volana aogositra teo izahay dia nanapa-kevitra fa hanao fihetsiketsehana manerana ny nosy  hanetsika ny Malagasy hitaky ny zony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 60 – 082. Ny fangatahana fampiatoana didy no nolavina satria hoe tsy manana fahefana hanao izany ny herin’ny fanovana noho izy tsy fikambanana mitsangana ara-panjakana fa raha nataonay tamin’ny anaran’ny DFP iny dia efa mety ary izahay tsy hihemotra fa amin’ny alatsinainy ihany dia efa hanao fangatahana vaovao. Izahay dia mahita fa mila ravana io governemanta io.

TT :

Nisy ilay savorovoro nitranga teo anivon’ny herin’ny fanovana nandritry ny fivorianareo teny Andavamamba ary nilaza ianao tamin’izay fa samy te ho lohany daholo ka manahirana. Manao ahoana ny mikasika an’iny amin’izao fotoana ?

TM :

Ny nifanarahana nandritry ny fivoriambe nataon’ireo antoko sy vondrona politika ao anatin’ilay hetsika Force de changement dia ny DFP no mitarika Herin’ny fanovana. Manaja an’izany izahay. Mila manaiky ny fomba fitarihan’ny DFP izay rehetra te ho ao.

TT : Hafatrao farany ?

TM :

Mibaribary fa ny fitondram-panjakana dia te handrara amin’ny fomba rehetra ny fampiharana ny zo ananan’ny olom-pirenena eto amin’ny firenena. Atao ahoana  no ahafahana manao fifidianana demokratika eto raha izay zo kely ananantsika aza tsy ekena ? Manentana ny rehetra aho ho saro-piaro amin’ny zony. Tsy ekena intsony ny fitondrana mandika lalàna sy manondikodim-bolam-panjakana. Loza no mahazo antsika raha izao no miseho hatramin’ny taona 2018.

Nangonin’i J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT