Politique

Tolojanahary Maharavo « Mibaribary ny hagegen’ny fitondrana »


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ny filohan’ny vovonana politika Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena na DFP,

 Tolojanahary Maharavo na Doudou, omaly rehefa tsy henoheno noho ny antony ara-pahasalamana. Manoloana ny tsikera mandeha fa toa ny praiminisitra hatrany no kendreny amin’ireo tsikera ataony dia nanamafy ny tenany fa efa tamin’ny taona 2016 tamin’ny alalan’ny Afo sendikaly no efa nitsipaka ny fanendrena ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana ho ao anaty fitondrana ny tenany. Ity praiminisitra ity moa izay sady mitana ny toerana maha minisitry ny atitany izay nambaran’i Doudou fa isan’ny ivon’ny kolikoly sy ny fanodinkodinan-tsenam-panjakana teto amin’ny firenena. Mibaribary ankehitriny, hoy izy, ny hagegen’ny fitondram-panjakana ary ny dinika mialoha ny fifidianana izay takian’ny rehetra amin’izao fotoana dia efa notakiana tamin’ny nanangana ny DFP tamin’ny jona 2016. Aty amin’ny volana septambra 2017 dia io fa mangataka izany ny vondrona eoropeanina vao taitra daholo. Rehefa vahiny izany no miteny dia marina fa rehefa malagasy dia fokafokaina. Rehefa tsy mahomby, hoy ny tenany, ny mpitondra dia ny governemanta no tokony hiala voalohany. Toy izany no fomba amin’ny tany demokratika fa tsy ny fanonganana filoham-pirenena no tokony hahamaika.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT