“Mitaky hatrany ny didy fampiharana ny sata mifehy ny fanoherana ny antoko Tiako i Madagasikara.
Lalàna izay tsy mbola nampiharina teto amin’ ny firenena nefa eritreretina hitondrana fanovana ka tsy mifanaraka amin’ny deontolojia sy etika politika izany”, hoy i Fetra Ralambozafimbololona, solombavambahoakan’i Madagasikara. Nohitsiany fa misy kajy io fanovana io ary olona no tiana hosakanana. Fantatra ny vontoatin’io sata mifehy ny fanoherana io tany am-boalohany ary resy lahatra ireo depiote TIM kanefa misy kajy ao ambadika ary ny mampalahelo dia lasa fandrebirebena no misy eto. Notsiahiviny fa raha nandalo teo anivon’ny Antenimierandoholona io volavolan-dalàna io dia nangataka fotoana io andrimpanjakana io satria terena hatao amboletra ary tapahina haingana nefa misy ny lesoka. Miombon-kevitra amin’ireo loholona ny tenany satria mila fotoana ny fandinihana tolo-dalàna. Toherinay amin’ny herinay rehetra ny fandaniana io sata mifehy ny fanoherana io na dia vitsy an’isa izahay eto anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany izy. Betsaka ny andininy nofoanan’ireo namolavola ilay tolo-dalàna, hany ka niova hatrany amin’ny votoatiny. Antony, nieritreritra ireo olona ireo fa ho eo amin’ny toeran’ny mpanohitra rehefa ho avy ny fifidianana filoham-pirenena tamin’izao saingy izy izao no mitondra. Tsy misy hifandraisana amin’ny lalàna momba ny toeran’ny mpanohitra eto amin’ny firenena io tolo-dalàna io. Tsy manana eritreritra hampandroso izy ireo fa hifikitra eo amin’ny fahefana fotsiny ka tsy ekena izany, hoy hatrany ny fanazavana. Ny vahoaka eny ifotony dia milentika ao anaty fahantrana ka tsy manam- potoana ny handinihana ny zava-misy. Nilaza hatrany ity depiote TIM ity fa hiady amin’ny fampiharana io didim-panjakana io satria manana ny toerany ny mpanohitra ary tsy hanao fanoherana bontolo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.