Ny alatsinainy tolakandro teo no nifamotoana tao amin’ny trano fonenan’ny Senatera teo aloha, MosaTahiry sady foiben-toeran’ny antoko TIM ireo Zanak’i Dada ao an-toerana.
Fotoana nanehoan’ireo mpikambana ny hafaliana tamin’ny fiverenan’izy mianaka an-tanindrazana dia Tojo Ravalomanana, zanaky ny filoha Ravalomanana sy i Guy Rivo Randrianarisoa, mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha sady mpitondratenin’ny ankolafy Ravalomanana. Fotoana koa nohararaotin’ny mpikambana nifanakalozan-kevitra sy nifanomezam-baovao mahakasika ny toe-draharaham-pirenena sy ny hoavin’ny antoko any amin’ny Faritra Anôsy. Amin-dry zareo Zanak’i Dada any an-toerana, dia efa midika ho fandresena sahady, ary lalana mankany amin’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy ho ela ny figadonan’ingahy isany Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa eto an-tanindrazana izao.
Hery lehibe ho azy azy ireo ny fiverenan’ireo olona nanao sesitany ny tenany eto an-tanindrazana. Tsy misy mantsy na iray aza hoy hatrany ireo Zanak’i Dada ao Tolagnaro azo sakanana tsy hody an-tanindrazany na iza izy na iza. Santatra ambavarano, hoy izy ireo ny fahatongavan’izy mianaka ireto, nialohavan’ny fahatongavan’ny filoha Didier Ratsiraka mivady sy ireo fianakaviany. Amin’ny hetsika ataon’ny TIM-Zanak’i Dada any Tolagnaro, izao tsy sasatra ny filoha mpitarika ny antoko any an-toerana, dia ny senatera Mosa Tahiry ny mampita vaovao hoa n’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny antso an-tariby avy aty Antananarivo.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.