Fitsenana mafana no nataon’ireo Zanak’i Dada Tolagnaro ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Mosa Tahiry sy ny mpikambana amin’ny Kongresy (CT) Rafidiarisoa Victorine, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, raha nitsidika tany an-toerana sady tanindrazana rahateo.
Niavaka satria sambany no nisy hetsika fankasitrahana tamin’ny nandraisana ireo olomboatendry tany an-toerana. Niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambinanibe ka nipaka hatrany amin’ny foiben-toerana ao Bazaribe ny hetsika. Feno hipoka ny tokotany. Hetsika politika no natao ary resaka polika ihany koa no nameno ny fotoana. Ankoatra ireo olona nasaina, tsy vitsy ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo solontenan’antoko hafa no namaly ny fanasana. Hery vaovao indray nanomboka ny sabotsy 31 desambra 2011 teo no hita teo amin’ny mpiray antoko. Samy namaky bantsilana ny tsy ara-dalàna ataon’ny fitondrana FAT ireo mpandahateny. Ny CT Rafidiarisoa Victorine indray no nanao tatitra ny zava-misy tao amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Nambarany fa akoatra ny fandaniana ireo volavolan-dalàna, dia ny fiverenan’i Dada no laharam-pahamehana amin’ny olom-boatendry firehana Ravalomanana
Raha nandray fitenenana kosa ny CST Mosa Tahiry, dia nanome toky fa tsy handiso fanantenana ny vahoaka. Potika i Madagasikara simba i Tolagnaro, mijaly ny vahoaka rehefa tonga ny mpanongam-panjakana, hoy izy. Fa ny tena loza dia ny fisian’ny polisy sahy namono ka nahafaty mpitsara, ary tato anatin’ity fitondrana FAT ity no nitrangan’izany. Aminay dia tsy mbola misy fitondrana ara-dalàna eto Madagasikara satria mbola mpanongam-panjakana no mibodo ny toerana, hoy ihany izy. Miantso ny filohan’ny FAT hilatsaka hofidina ny tenany dia ho hita eo izay tiam-bahoaka. Ny fifidianana ara-demokratika ihany no eken’izao tontolo izao, hoy ny CST Mosa Tahiry. Inona no mampatahotra ny fitondrana ankehitriny amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ? Vonona ny firehana Ravalomanana hanohy ny tolona handrodanana ny tsy mety rehetra ataon’ireo mpikaramanadin’ireo mpanohariana, hoy izy.
Natiora OTH.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.