Politique

Tolagnaro Ifanotofan’ireo kandida filoham-pirenena


  • Talata 14 Mey 2013

Mifaninana maka ny fo sy manao pi-maso any Tolagnaro ireo mpanao pôlitika.

 Samy gaga ny rehetra ary samy mametra-panontanina hoe : fa taiza ireo hatramin’izay no rehefa atomotra ny fifidianana filoham-pirenena vao manao valala manjohy izy ireo. I Hajo Andrianainarivelo no nisantatra azy, nanaraka i Andry Rajoelina, nodimbiasan’i Camille Vital ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo iny no tonga tany an-toerana ingahy Pierrot Rajaonarivelo, ary vao niala kely izy nigadona indray i Saraha Rabeharisoa, nihaona tamin’ireo mpiandany azy tany an-drenivohitra Anôsy ny sabotsy teo.

Samy naneho ny tanjany, ny heriny ary ny fananany tany an-toerana avokoa izy ireo. Amin’ny ankapobeny saika kabary pôlitika sy fanomezana kalandrie ary fanolorana omby hoan’ny vahoaka sy fizarana sakafo mitam-pihavanana no hita. Amin’ny ankapobeny dia efa fampielezan-kevitra ankolaka avokoa no nataon’izy ireo raha miainga amin’ny fanehoan-kevitra ny avy amin’ireo sokajin’olona nasaina. Ny manaitra dia ireo olona tazana nilahatra tatsy amin’ny antoko tatsy omaly no mbola tazana nameno isa amin’ny karnavaly karakarain’ny antoko hafa ny anio sy amin’ny manaraka. Dia toy izany hatrany isaky ny misy mpanao pôlitika mitsidika ny tanàna. Maha valalanina e !

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT