Politique

Tolagnaro Hidina an-dalambe ny vahoaka


  • Alarobia 04 Janoary 2012

Vao miandoha ny taona dia mafanafana ao Tolagnaro ao. Fantatra mantsy fa dia hidina an-dalambe ny vahoaka amin’ity anio ity.

 Nisy ny fanentanana ho amin’izany nataon’ny fikambanana Fagnomba. Hiainga ao amin’ny Le Chasseur mipaka any amin’ny Biraon’ny Faritra Anosy ny filaharambe, rehefa avy mamakivaky ny tanàna. Haneho ny tsy fankasitrahana manoloana ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra sy ireo solontenam-panjakana ao an-toerana, eo anatrehan’ireo olana marolafy mianjady amin’ny mponina no anton’ny hetsika, araka ny fantatra. Tanisain’izy ireo amin’izany ny olana momba ny asa, ny fakana tanim-pokonolona hitrandrahana fasimainty ary ny fametahana baorina tsy ankiera amin’ny kibory na fasan-drazan’ny olona toy ny nitranga tao Ampasinahampoana sy Mandromodromotsy ka nahatonga ny vahoaka tamin’ireo Kaominina ireo namantsika ny biraon’ny Kaominina.

Hitambatra ny olona amin’ity anio ity, hatrany Manambaro mipaka any Sainte Luce, hitaky ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra Anosy sy ny fanoloana ireo solontenam-panjakana voakasik’ireo olana ireo.
Ny zoma 09 desambra 2011, tsiahivina ihany, dia Fokonolona maro no nirohotra teny amin’ny biraon’ny Faritra, niaraka tamin’ny sorabaventy. Resaka fametahana vato baorina amin’ny tanin’izy ireo, izay voakasiky ny fitrandrahana fasimainty, no anton’ity hetsika ity. Nitady ny Lehiben’ny Faritra Anosy izy ireo, mba hangata-panazavana ny mikasika izany, saingy tsy tao amin’ny biraony ny lehiben’ny Faritra tamin’io. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika izy ireo raha tsy misy ny vahaolana ary azo heverina fa tafitra anatin’izany ity hetsika kasain’izy ireo hatao anio ity.
Nangonin’i Jean D.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT