Raha nisahotaka amin’ny mety hisian’ny fandrobana sy asa fampihorohoroana nikendrena ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana ny teto an-drenivohitra omaly tolakandro, dia nanao be midina tao Manjakatompo Andranomanelatra misy ny trano fonenan’ny zanaka lahin’i Marc Ravalomanana ny ekipan’ny DST (Direction de la surveillance du territoire) miisa 15 teo, notarihin’ny kaomisera Nakany Charly.
Fiara dimy, ka itony Toyota Yaris kely fitondran’ny FIS itony ny telo, miampy fiara 4x4 iray ary fiarakely iray hafa no nentin’izy ireo nirodorodo amin’ny andro maty masoandro tao amin’ity tanàna ity, rehefa somary nihainohaino teny amin’ny manodidina. Trangan-javatra izay nampisahotaka ny Fokonolona. Vetivety, araka izany, dia niely ny feo fa hisambotra an’i Tojo Ravalomanana ireto andian’olona ireto. Tsy nisy nahafantatra ny fiavian’izy ireo rahateo na ny manampahefana sivily na ny miaramila tao Antsirabe. Mbola ny olona teny an-toerana indray aza no nampahafantatra ireo mpitandro ny filaminana, zandary sy polisy, tao Antsirabe ny fisian’ireto DST nanao be fiavy tao Manjakatompo ireto.
Tao an-toerana i Tojo Ravalomanana mivady tamin’io fotoana io. Tsy nanan-kevitra velively ny hiala, tampoka rahateo koa no nahatongavan’ireto DST ireto. Avy koa moa ny orana tamin’io. Tsy nisy alaharo ny azy ireo ny fisavana ny tanàna, taorian’ny fanapoahana basy nampitahorana ireo Fokonolona izay nalady vory, sady nametraka sakana tamin’ireo lalana telo miditra amin’ity toerana ity. Notsofain-dry zalahy ny varavarana ary notifirina ka potika ny fitaratra nidirana an-keriny ny trano. Tao an-dakozia no nitsofohan-dry zareo voalohany. Nitabataba ny alika tao an-trano raha nandre ny fibosesik’ireto vahiny hafahafa ireto.
Mety nahasorena ireto farany ny fivovoan’ny alika io ka dia notifirin’izy ireo, ka voa teo amin’ny tendany, saingy tsy maty teo no ho eo. Mpiambina sivily iray koa no fantatra fa voakasi-tanana, ka vaky vava. Naharitra ora efatra teo ny nanaovan’ireto olon’ny DST ireo savahao ny trano, ka tsy niato izany raha tsy tamin’ny folo ora sy sasany alina mahery. Nandritra izany dia nifandray an-telefaonina tamin’ny jeneraly Ravalomanana taty Antananarivo ireo olon’ny DST ireto. “Fisavana no nambaran’izy ireo fa hatao, nefa aminay dia fambara zavatra hafa ny fanaovana izany amin’ny andro alina sy ny fanapohana basy nataon’izy ireo, ary ny fandrahonana natao anay”, hoy i Tojo Ravalomanana, nanazava fohy ny zavatra niainan’izy ireo izany.
“Misaotra an’Andriamanitra izahay tsy maty fo aman’aina, ary mivavaka ho an’izay manenjika ihany”, hoy izy nanohy ny teniny, izay tsapa fa mbola tao anatin’ny fitaintainana tokoa. Diskety efa tranainy, no nentin’ireo taorian’ny fanasoniavana taratasy fitanana an-tsoratra nialoha ny nandaozan’izy ireo an’i Manjakatompo. Rtoa Claudia Ravalomanana, vadin’i Tojo no nanao sonia avy amin’ny tompon-trano, izay raha ny angom-baovao dia natanja-tsaina sy feno fahasahiana tokoa niatrika ireto mpisava ireto. Tsy nisy rahateo ny vaditany nanatrika izao fisavana izao. Tsy mbola vita ny fisavana dia efa nandao ny toerana ny ekipan’ny mpitandro ny filaminana, nahitana zandary notarihin’ny kolonely Bama, komandin’ny vondrontobim-paritra Vakinankaratra sy ny polisy, notarihin’ny Kaomisera Labara. Midika io fa nisy tsy fifankahazoana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nandeha rahateo ny feo fa tsy nisy fampandrenesana ireto tompon-tanàna ireto tamin’ny fahatongavan’ireto olon’ny DST ireto. Rehefa lasa ireto farany dia nahitana sisam-bala roa misy marika 33A teo an-toerana. Mbola vory maro, niandriandry izay ho tohin’ny raharaha ny Fokonolona sy ireo zanak’i Dada ao Antsirabe.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.