Politique

Tojo Ravalomanana Nandefasana miaramila roa 4x4 indray


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Mitohy ny antsojay atao amin’ny fianakaviana Marc Ravalomanana.

 Fiara tsy mataho-dalana roa feno miaramila indray no tonga tao Manjakatompo-Andranomanelatra Antsirabe II ny zoma 13 aprily misandratr’andro. Valo lahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo, sivily ny iray, toa hoe vadintany. “Hitady tompon’andraikitra”, no filazan’ireo be sandry ireo raha namantana avy hatrany tao amin’ny ozinina ao Manjakatompo. Tsy misy olona fa mpiandry tanàna no ato, hoy ireto farany, izay nangataka ny hanehoan’iretsy “vahiny” ny taratasy milaza izay anton-dian’izy ireo. Tsy nampiseho anefa ireo fa nitaky ny hampidirana azy. Efa nivonona ny hitsoka kiririoka hanairana ny Fokonolona manodidina ireo mpiandry tanàna vao nikisaka nihazo an’Antsirabe ireto andian’olona ireto.

Nisy nahatsikaritra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsirabe izy ireo ny zoma tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Tombanana ho naka taratasy fahazoan-dalana hiditra sy hisava tao Manjakatompo izy ireo. Nisy nahita tany amin’ny borigadin’ny zandary Andranomanelatra indray taorian’izay, avy eo nanjavona. Nifanindran-dalana tamin’ny nandanian’ireo Paralemantera mpomba an-dRajoelina ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka izany rehetra izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT