Politique

Tohana amin’ny kere Nanome iray tapitrisa dôlara ny BAD


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Manohana ara-bola mitentina iray tapitrisa dolara ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana hiahiana ireo olona tandindomin-doza amin’ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny hain-tany.

 

 Olona manodidina 115 000 any amin’ny Distrikan’i Toliara I, Toliara II, Sakaraha, Betioky ary Ampanihy no hisitraka ny fanampiana, izay hotantanin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo (PAM).

Hovatsiana amin’ny alalan’io fanampiana ara-bola io ny fiahiana ara-tsakafo, ny “cantine scolaire” ary tohana ara-tsakafo mandritra ny enim-bolana, eo anelanelan’ny volana novambra 2015 sy mey 2016. Sakafo milanja 1 290 taonina eo no hozaraina mandritra io fe-potoana io. Hiara-kiasa amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny mponina ary ny Ofisim-pirenena misahana ny sakafo (ONN).


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT