Politique

Toeran’ny minisitry ny angovo Banga 4 volana


  • Alatsinainy 05 Desambra 2016

Ny 20 aogositra 2016 teo no efa banga ny toeran’ny minisitry ny angovo, taorian’ny fodiamandrin’ny minisitra teo aloha, Ramanantsoa Rodolph.

 

Hatramin’izao anefa dia tsy heno sy tsy hita veroka ny anarana hasolo azy. Anisan’ireo minisitera andry anefa ity minisitera iray ity ary tao ho ao dia tohivakana ny fihetsiketsehana isan-karazany mikasika ny olana teo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto amintsika. Nalaza indrindra, ohatra, ny raharaha Soamahamanina, ireo nosy manodidina, ny tany Anjozorobe, Bealalana. Iniana atao ve ny famelana ity toerana iray ity ho banga toy izao mba hanome fahasahiranana ireo izay mila ny fisian’izany sa tena tsy fahaiza-mitantana tsotra izao ? Havela ho banga mandrakizay ve ity toeran’ny minisitry ny angovo ity ?


Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT