Politique

Toe-draharaha politika Hangotraka ato anatin’ny 24ora…


  • Zoma 27 Desambra 2019

Andrasana izay zavatra hiseho ara-politika eto Antananarivo ao anatin’ny 24ora eo anatrehan’ny filaharambe kasain’ny Rodoben’ny mpanohitra na ny RMDM, TIM,

 

 vahoakan’Ambohitrimanjaka,… hatao rahampitso 28 novambra, izay efa nolavin’ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Prefet Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian. Andrasana ny fanambarana sy toromarika ataon’ny mpanohitra mahakasika ny mety ho endriky ny hetsika hoe: hiova amin’ny efa nangatahana dia ny filaharambe miala eo Mahamasina hatreny amin’ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana Anosy ve sa tsia ? Azo antoka ihany koa ny fikaonan-doha ataon’ny eo anivon’ny OMC (Organe Mixte de Conception) izay ahitana ny Prefektiora, fitsarana, zandarimaria, tafika, polisim-pirenena,… manoloana ny toe-draharaha. Raha hiverenana ny tenin’Atoa Rina Randriamasinoro, dia ny hoe: “Raisiko ho adidy hatramin’ny farany ny hiady ho amin’ny fahamarinana …. Alohan’ny handefasana miaramila hisambotra dia tereo aloha ny miaramila hibaiko ny andrim-panjakana hanery hamoaka ny marina, fa aza atao hery famoretana foana ny eto amin’ity firenena ity. Amin’ny maha Raiamandreny mpitondra fanjakana anao, dia mino aho fa hijery manokana ho an’ny vahoaka amin’izany fahamarinana izany ianao. Tombony ho anao ny fisian’ny olona mijoro ho an’ny fahamarinana. Isika tsy handany andro eto amin’ny Magro, ka hitabataba eto foana na tsy hisy hihaino aza”. Nanome toky ny vahoaka izy fa tsy maintsy hihaona amin’ny sabotsy 28 desambra. Raha dinihina amin’io, dia tsy hihemotra velively amin’ny zavatra noeritreretiny ny mpanohitra, izay efa nilaza fa tsy hanakorontana na hanongam-panjakana. Ny fanjakana ihany koa etsy an-daniny, dia azo antoka fa hanao izay faraheriny hanakana, izay vao mainka mety hampiakatra ny maripana. Hangotraka izany ny toe-draharaham-pirenena ato anatin’ny 24ora na eo am-piandrasana ny fetin’ny faran’ny taona aza isika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT