Tao anatin’ny lahadinika teny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho alemana Ambatoroka omaly nandritra ny fihaonana teo amin’ny vondrona eoropeanina sy ny governemanta notarihan’ny praiminisitra
Solonandrasana Olivier Mahafaly ireo sehatra mafampana miteraka adihevitra eto amin’ny firenena tato ho ato toy ny lalàna mifehy ny fifandraisana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanitsiana ny lalàna momba ny fahazoana ny zom-pirenena Malagasy, ny fifanarahana lasitra miaraka amin’ny FMI, ny fivoriamben’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara. Voavaly amin’ny ampahany hatramin’izao ny hetahetan’ny fianakaviambe iraisampirenena momba ny zava-misy eto Madagasikara, hoy ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina miasa sy monina eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar tamin’ny fiandohan’ny volana jona 2016. Ohatra noraisiny ny lesoka tsy fahazoana antoka eo amin’ny lafiny lalàna sy ny ady amin’ny kolikoly. Efa voaresak’ity lehiben’ny delegasionina vahiny ity ihany koa nandritra ny andro natokana ho an’i Eoropa ny volana mey 2016 ny fahantrana misy eto Madagasikara. Notanisainy tamin’io ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy Malagasy 1 amin’ny 2, ny fahapotehan’ny rafi-panabeazana sy fahasalamana, ny firongatry ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra ary ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko mampahazo vahana ny tambajotra kolikoly sy mamparefo ireo andrimpanjakana. Teboka iray iandrasan’ny Vondrona eoropeanina valiny mazava avy amin’ny fanjakana Malagasy ankehitriny rahateo ny momba fifidianam-paritra sy faritany izay tsy tontosa ny volana jona 2016 teo. Mbola mipetraka moa hatreto ny baraingo sy ahiahy amin’ny toe-draharaha hita eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy, araka ny fomba fijerin’ny Vondrona eoropeanina.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.