Hafahafa ny fandehan’ny raharaham-pirenena, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay, satria vitsy dia vitsy ny solombavambahoaka nifidy ny lalŕna mikasika ny tetibolam-panjakana.
Midika izany fa tsy manana ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena intsony ny fitondrana sy ny governemanta. Raha ny mpanohitra no manana ny maro an’isa dia tsy tokony hitohy intsony ny governemanta ankehitriny na misy minisitra tokony hosoloina. Mila jerena ao amin’ny antenimieram-pirenena ny mikasika azy io. Naneho ny heviny ihany koa moa ity mpandinika ity mikasika ny mety ho vokatry ny fihaonan’ny mpamatsy sy mpampindram-bola izay natao tany parisy farany teo. Nambarany fa efa nisy toy ireny tamin’ny fitondrana Ravalomanana ary nahazoantsika 4 miliara dolara. Zavatra tsara ho an’ny firenena io saingy andrasana ny fampiasana azy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.