Tsy misy azo antenaina ny fanovana minisitra nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampanina farany teo, hoy ny mpandinika ara-politika Toavina Ralambomahay.
Tsy hitondra zava-baovao na hanatsara ny fiainam-bahoaka velively mihitsy mantsy ny fikitihana mpikambana vitsy tao amin’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ity mpanoratra politika ity. Tsy misy rahateo fandaharanasam-panjakana mazava fa ny teo aloha ihany no mbola hita ankehitriny. Olana eto Madagasikara moa ny tsy fisian’ny maridrefy amin’ny zava-bita, hany ka olona efa nesorina dia haverina indray amin’ny fitantanana departemanta minisiterialy, araka ny fanazavany. Efa tany amin’ny volana aprily 2017, ohatra, no tsy nilamina ny minisiteran’ny Fitsarana nefa niandry taty amin’ny faran’ny volana aogositra vao nosoloina. Mijanona ho kitranoantranon’ny fitondrana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara sy ireo mpiaradia aminy manokana moa iny fanamboarana ireo olona mandrafitra ny fahefana mpanatanteraka iny fa tsy misy fandraisan’ny vahoaka anjara, araka ny fanamarihany. Tsy mahagaga raha manao izay saim-pantany sy manao izay danin’ny kibony ny mpitondra HVM satria miraviravy tanana ny olom-pirenena, hoy ny mpanao politika mpanohitra Toavina Ralambomahay.
Nangonin-dRamano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.