Politique

Toavina Ralambomahay “Mila manana antoko vao mitondra firenena”


  • Alarobia 19 Febroary 2020

« Ao anatin`ny efa-taona manaraka dia mila manokana vola mitentina 17,4 miliara dolara ny fanjakana Malagasy.

Hitady famatsiam-bola mitovy sora-bola amin`io vola io any amin`ireo mpiaramiombon`antoka indrindra amin`ireo tsy miankina », hoy Richard Randriamandranto, minisitry ny tetibola sy ny toebola. Manoloana io fanambarana io dia nitondra ny heviny i Toavina Ralambomahay, mpanolotsaina monisipaly. Fa angaha moa tsy vao avy nanatrika ny « Conférence des Bailleurs »  ny filoha Rajaonarimampianina ka nisitraka vola amina miliara dolara maro ? Atoa Henri Rabarijohn, izay lasa governoran`ny banky foiben`i Madagasikara, dia nanatrika ny fihaonambe. Raha ny fieritreretako hatramin`izay, efa nahita famatsiam-bola ho an`ny IEM ny Filoha Rajoelina mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Mampatsiahy ny MAP, vinan`ny filoha Ravalomanana, tamin`ny taona 2007 izay tsy mbola nahitàna famatsiam-bola kanefa ny taona 2003 dia nisy ny « Conférence des Bailleurs » izay nisitrahana 4 miliara dolara. Fehiny, hoy izy, dia mila miomana sy manana antoko vao mitondra firenena. Fa tsy eo vao mitady vola, « cerveau », paikadim-pampandrosoana. Ny olana, hoy izy, dia ny Malagasy tsy mahavita miharitra ivelan’ny Fitondrana ka manangana antoko fa te hiditra. Noho izany, ny antoko Humaniste et Ecologiste sy ny KOMBA dia mitady olona mitovitovy hevitra mihitsy amin’izao, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Le

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT