Afa-nenina avokoa izao ny rehetra, hoy i Toavina Ralambomahay filohan’ny antoko Hasin’ny Olombelona sy Ekôlôjia Madagasikara (HE.Mada).
Manosika mafy ny HVM mba hanohitra ny TIM, MAPAR, MMM, Hiaraka Isika ... Mazava fa tsy hanohitra izy ireo. Manosika mafy ny Fondation Friedrich Ebert mba hanohitra ny TIM, MAPAR, MMM, Hiaraka Isika ... Mazava fa tsy hanohitra izy ireo.
Malaza fa ho avy ny fanovana governemanta sy ny fanendrena Masoivoho ka tsy misy olom-pirenena na antoko sahy hijoro ho mpanohitra mihitsy eo am-panantenana fanendrena. Roa taona mahery izay, tsy misy sahy manohitra izy ireo, hoy i Toavina Ralambomahay. Mahatsapa ny fahalemenay izahay satria vitsy ny Malagasy no sahy milaza ampahibemaso araka ny lalàna fa mpanohitra, kanefa efa maro ireo tsy faly fa tsy sahy, hoy ity farany.
Mitaky ny hampiharana amin’izay ny lalàna mifehy ny Mpanohitra, ny HE.Mada eny na misy iny hevitry ny HCC iny aza. Miantso ny Minisiteran’ny Atitany ihany koa izy ireo hamoaka ny lisitra izay nisoratra ho Mpanohitra mba ahafahana mizaka ny zo amin’izany. Tsy mila didy fampiharana indrindra io lalàna io dia efa ampiharina, hoy hatrany i Toavina Ralambomahay, roa taona izay.
Mbola misy telo taona ka raha tsy miavaka mazava ary manana sehatra mitovy amin’ny mpitondra mantsy ny Mpanohitra dia sarotra ny fifandimbiasam-pahefana satria ireo eo amin’ny fitondrana foana no hiverimberina eo. Ampatsiahivina fa niatrika fifidianana ny HE.Mada ary manana olom-boafidy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.