Nanao fikihaonan-doha tao amain’ny hotely “Le Neptune” ny sabotsy teo, ireo mpikambana teo anivon’ny “plateforme provinciale de concertation de l’organisation des sociétés civiles” tao Toamasina, tarihan’ny filohany, Atoa Randrianaly Lucien Auréol.
Amin’izy ireo dia savoritaka no iainan’ny rehetra, tsy ny vahoaka ihany fa ny mpandraharaha koa ka nampitombo ny tsy an’asa sy ny tsy fisian’ny fiarovana ny fampiasam-bola. Mandry tsy lavo loha noho ny asan-jiolahy sy asan-dahalo ny Malagasy, tsy mahavita ny asa nanakaraman’ny vahoaka sy nanaovany fianianana ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika. Voahitsaka ny zon’ny mpiasa Malagasy amin’ny tsy fisian’ny politika mazava arak’asa nefa ny mba nisy nodorana sy nopotehina. Tsy misy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny raharaham-panjakana, be loatra ny fanararaotam-pahefana…”. Izay raha fintinina ny fehinkevitry ny “plate forme provinciale de concertation” tao Toamasina nandritra ity fikaonan-doha ity. “Raha mbola mitohy izao krizy izao ka tsy ahitam-bahaolana ny raharaham-pirenena, samy manao be marenina ny mpanao politika, mangalatra volam-bahoaka sy ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola hany mba tonga ny fanjakana tetezamita, dia atahorana hiafara amin’ny ady an-trano sy fifamonoana ary fikatsahana aina mpitondra ny zavatra hiseho tsy ho ela”, hoy hatrany izy ireo mikasika ny zava-misy ankehitriny eto amintsika. Nisy vokatra izany ny fizarana ho vondrona dimy ny mpizaika, nandinihana lohahevitra dimy izay efa nomanina mialoha, dia ny resaka Ambatovy sy Mainland ary ny tontolon’ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany eo anivon’ny faritanin’i Toamasina, ny Jirama sy ny olana ara-herinaratra ary ny resaka delestazy, ny tsy filaminana sy ny tsy fahandriampahalemana ary ny resaka tsy fananan’asa indrindra eo amin’ny tanora, ny raharaha Antenimieran’ny varotra, MICTSL, ladoany ary ny tontolon’ny zava-misy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary ny resaka Kaominina sy ny fanatsarana ny tanàna ary ny olana sedrain’ny tanàna amin’izao fotoana izao.
Maro ny hevitra nivoaka tamin’ireo vondrona dimy ireo, ka eo am-pandrafetana azy izy ireo nanomboka ny sabotsy ihany, ary havoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ela ny valin’ny fikaonan-doha nataon’izy ireo. Nandritra ny hetsika no nilazan’i Roland Ratsiraka, anisan’ny mpandray anjara, fa tsy azo ekena izany hoe Toamasina no misy ny Ambatovy izay nanome ny 75 tapitrisa dolara, nefa ny minisitry ny vola sy ny tetibola no mitantana ny 25 tapitrisa dolara hanaovana asa sosialy fa tsy ny faritra. Eo koa ny vola tahiry ampiasaina raha sendra misy loza ara-tontolo iainana 50 tapitrisa dolara, tsy ny ofisy nasionaly momba ny tontolo iainana, no mitantana azy fa natao tahiry amin’ny ‘compte à risque’ eo anivon’ny Banky foibe indray». I Victor Wong kosa dia nahitsy fiteny ary nilaza fa «mpangalatra, tompondaka amin’ny kolikoly sy hala-bola ny mpitondra antsika ireo ; koa mila mihetsika isika ary mandray andraikitra haingana hiaro ny fananantsika sy ny zontsika ary ny firenentsika.
Niatrika ity fikihaonan-doha ihany koa Atoa isany Lahady Samuel, Henri Lecacheur, Fanony Fulgence, lehiben’ny Distrikan’i Toamasina I, Sekretera jeneralin’ny Kaominina, ny Filohan’ny Rodobe Toamasina, ary solontenan’ny Faritra Atsinanana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.