Raha tokony ho ny Rodobe no nanomana ny hetsika teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V Toamasina ny sabotsy 24 martsa teo, dia tsy nisy izany.
Ny ankolafy Ravalomanana noho izany no nanao ny hetsika fanao isan-kerinandro tao amin’ny Magro Toamasina, izay nampitana vaovao tamin’ny mpitolona. Tsy nihambahamba tamin’ny fanakianana sy tsy nitsitsy fitenenana manoloana famafazana lainga ary fanaovana ny vahoaka ho tsy mahalala na inona na inona ireo nandray fitenenana rehetra. Ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Iandro Robertson dia nanambara fa samy mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina sy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, ka tokony hitovy ny sazin’izy ireo. Nohitsiany hatrany fa natao hiambina sy hiaro tombontsoa frantsay ny mpitandro ny filaminana Malagasy, ka mila tonga saina ny vahoaka manomboka izao.
Tsy niolaka koa ny tenin’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rasamimaka Mahefalahy, raha nilaza fa maninona no fitahina sy laingana lava toy izao ny vahoaka Malagasy ? Voaresaka tao amin’ny Magro Tanambao koa ny momba ilay fiaramanidina Air-bus ambara fa novidiana ho an’ny kaompania Air-Madagascar. “Nomena sa novidiana tamin’ny Air-France io Air-Bus io ?”, hoy ny Me Rasamimaka. Raha nomena dia omeo ny porofon’ny fifanarahana nifanaovan’ny minisitry ny vola Hery Rajaonarimampianina tany Frantsa farany teo ? Raha novidiana, aiza ny tolo-bidy iraisam-pirenena natao tamin’izany fa izay no lalàna ? Notsiahiviny fa nohenjehina noho ny tsy fanaovana tolo-bidy tamin’ny nividianana ny Air-Force One II, ny filoha Marc Ravalomanana izay fiaramanidina ampiasain’ny fanjakana Malagasy ihany, nefa izao toa ilay nanenjehana azy indray no naverina ary idedahana mihitsy ny milaza azy, hoy hatrany ny CST Rasamimaka namarana ny teniny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.