“Valio ny fangatahan’ny mpampianatray fa te-hianatra izahay ! Aza ampijaliana ny taranaka Malagasy fa mijaly ny ray aman-dreninay”.
Izay ny teny sy sorabaventy nataon’ireto mpianatra tamin’ny fitaovana teny aminy, nitakiany ny fampianarana azy ireo sy nilaharany nanerana ny lalana sasany tao Toamasina omaly. Niainga tao amin’ny Lycée Rabemananjara ireto andiana mpianatra ireto, nandalo ny tao amin’ny CEG Radama I sy ny Lycée Teknika ary tonga teo amin’ny CEG Ratsimilaho sy ny biraon’ny DREN Atsinanana nisy ny fihaonamben’ny SEMPAMA Toamasina sy ny talen’ny fampianarana Atsinanana Lema Etienne. Ny mpianatra sasany no nijanona teo, fa ireo ambiny kosa notarihan’ny mpianatry ny Lycée teknika nitohy namonjy ny CISCO Toamasina I nihaona tamin’Atoa Sambany Fréderic. Tsy nijanona teo anefa ny hetsika sy ny filaharan’ireto mpianatra ireto, satria “tsy nahafa-po anay ny fanazavana azonay teo anivon’ny DREN sy ny CISCO I, fa toa miolakokala sy tsy mamaha akory ny olana misy amin’ny mpampianatra anay no nambaran’izy ireo”, hoy ireto mpianatra maro be. Nitohy nihazo ireo sekoly tsy miankina ny filaharana, ka nahitana izany ny tao amin’ny kolejy James Seth, Thomas Bevan, Tsarahofana, Lycée Price…ary tonga tao amin’ny Lycée Stella Maris.
Tamin’ity farany anefa vao tena henjana ny sakoroka nitranga, satria raikitra ny famakiana ny vavahady, ny tora-bato, ny ady totohondry teo amin’ny samy mpianatra ary ny fanimbana ny fananan’ny sekoly Stella Maris. Mpianatra telo no fantatra fa naratra ka ny iray avy amin’ny mpianatra fanjakana nilahatra no naratra mafy teo amin’ny lohany, izay notsaboin’ny toeram-pitsaboan’ny Stella Maris ihany. Efa nivoaka nifangaro teo ivelan’ny tokotanin-tsekoly ny mpianatra vao tonga ny Emmo-Reg sy ny fiara 4x4 vaovaon’ny Emmo-Sécurité vao azo vao haingana. Tsy nisy aloha ny fisamborana noho ny sakoroka nifangaro voraka tanteraka, ny fandravana ny mpianatra tamin’ny alalan’ny tifi-danitra sy grenady lakrimozena no natao, mba hilaminan’ny raharaha tao Androranga. Ny tolakandro ny omaly dia najanona nianatra avokoa ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina, hialana amin’izay mety ho valifaty teo amin’ireo mpianatra niady, ireo nianatra kosa dia nandray fepetra amin’ny fakan’ny ray aman-dreniny ny zanany sy ny fiambenan’ny mpitandro ny filaminana. Milaza ny mbola hidina an-dalambe ny mpianatra anio, ka ho hita eo indray ny tohiny. Izao no vokatry ny fanapotehan’ny FAT ny tanora Malagasy tato anatin’izay telo taona izay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.