Nihazakazaka haingana tany Toamasina ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo omaly taorian’ny nandrodanan’ny andian’olona ny fefy natao teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, isiana asa fanamboarana ka hanoloana ireo ahi-maitso eo ho “béton”, araka ny fikasan’ny FAT.
Nandritra io fotoana io no nanararaotany nandaminana ka nampihaonany ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina I, Toalina Razafindrabary sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, manoloana ny tsy fifankahazoan-kevitra nitranga tato ho ato, momba ity fanatsarana ny tanàna ao Toamasina renivohitra ity. Nambarany fa trano manara-penitra sy anisan’ny tsara indrindra amin’ny tranom-panjakana io ka tohizana hatrany ny asa na nisy aza iny olana iny. “Mino aho fa izay resaka bozaka izany azo dia ifandaminana foana miaraka amin’ireo teknisianina manampahaizana sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany. Amin’izao fotoana izao izahay dia manohy ny tetikasa dia ny fanamboarana ny “Allée Centrale”.
Raha nanao io asa izahay dia tsy hanimba velively ny efa teo fa mikatsaka hatrany kosa ny hanatsara ny tanàna”, hoy izy. Nohamafisin’i Hajo Andrianainarivelo koa fa “tokony hohatsaraina lalandava ny serasera sy ny fifandraisana misy eo anivon’ny mpitondra isan’ambaratongany sy eo anivon’ny mpitondra sy ny entina mba tsy hisian’ny toe-javatra tahaka ireny”. Nampibaribary teo ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ny PDS sy ny lehiben’ny Faritra. Ity farany izay nilaza ho tsy mahalala ny momba ity fanamboarana ity sy nitaky ny hisian'ny serasera manodidina izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.