Nitohy omaly talata 15 mey ny fidinana an-dalambe nataon’ireo mpianatra tao Toamasina.
Niara-nirona tamin´izany ny mpianatry ny sekoly tsy miankina sy ny sekoly miankina avy amin´ny kolejy sy ny lycée ao an-tanàna. Niatomboka tany Salazamay misy ny lycée Rabemananjara ny mpianatra tamin´ny 07ora sy sasany ary naka ireo namany tao tampon-tanàna tokony ho tamin´ny 08ora. Ny sekoly James Seth amin´ny araben´ny fahaleovantena no nanombohana izany. Betsaka noho izany ireo sekoly tsy miankina nampody ny mpianany omaly maraina.
Nikatona
Nanomboka tamin’ny fandorana kodiarana nataon’ny mpianatry ny lycée sy Ratsimilaho ny raharaha. Nisy noho izany ireo mpianatra maro no niharan’ny daroky ny polisy nanao ny fanaraha-maso nandritra izany. Taorian’izay, raikitra ny tora-bato sy ny fanakorontanana ireo mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina, ka mpianatra 06 no nosamborin’ny Emmo-Sécurité sy ny Emmo-Reg nanaovana fanadihadiana teo anivon´ny vondrom-pileovan´ny zandary Atsinanana. Mpianatra iray isany avy amin´ny lycée Rabemananjara, Thomas Bevan, CRJS, Hery Mahiratra, mpianatra roa kosa avy amin´ny sekoly CAMP. «Tsy ny fampidirana am-ponja na fampiakarana fitsarana ireto tanora ireto akory no mahamaika, fa ny hahafantarany fa tsy mety ny nataony tamin´ny fanakorontanana ny mpianatra te hianatra sy ny fanimbana zavatra ary ny fanompana mpitandro ny filaminana», hoy ny Kolonely Bototsara James, lehiben´ny Emmo-Reg sy Emmo-Sécurité Atsinanana.
Nanafatra koa anefa ity Kolonely ity fa «mila mandray andraikitra sy mba mananatra ny zanany ny ray aman-dreny fa tsy mbola tara izao, sao hivadika zavatra hafa vao hifanome tsiny eto isika». «Tsy ny mpampianatra mitokona no asain’ny mpitandro ny filaminana mampianatra, fa izahay mitaky ny zonay hianatra indray no darohana sy samborina», hoy ireto mpianatra namoaka ny tao am-pony. Nisy mihitsy no sahy nilaza fa «sambory avokoa izahay ireto raha izany no izy, satria tsy hijanona ny fitokonanay raha tsy efa mampianatra anay ny mpampianatray amin’ny famalian’ny fanjakana ny fangatahany ihany koa». Ankoatra izay, dia nidina an-dalambe koa ny mpianatra tao Fenoarivo Atsinanana omaly talata. Mpianatra an’arivony avy amin´ny sekoly tsy miankina sy sekolim-panjakana koa no niara-nidina an-dalambe.
Raikitra koa ny sakoroka tao Fenoarivo Atsinanana ka zandary iray no fantatra fa niharan´ny tora-bato no vaky loha sy naratra. Vokany, nikatona avokoa nanomboka omaly koa ny sekoly rehetra tao Fenoarivo Atsinanana. Niato niaraka tamin’izay koa ny fampianarana rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Ireo mpianatra enina nosamborina tao Toamasina I kosa dia navotsotra omaly tolakandro ihany, raha avy nampanantsoina ny ray aman-dreniny nanaovana fanazavana mikasika ny toetra tsy mendrika nataon-janany nandritra ny fitakiana sy filaharana an-dalambe nataony.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.