Politique

Toamasina Miteraka resabe ny fanendrena tompon’andraikitra


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Malaza mahay mandray vahiny sy manaja ny soatoavina maha malagasy i Toamasina, ankoatra ny fanajana ny maha samy malagasy amin’ny fananana an’i Madagasikara iray tsy mivaky,

 

 hoy ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitra ambony iray niasa tao an-toerana. Zava-dehibe izany raha eo amin’ny fomba sy ny fiarahamonina eo amin’ny  maha Malagasy saingy ny mifanohitra amin’izay no hita eo amin’ny fijery ivelan’ny  fitantanana ny raharaham-panjakana izay  fototra iray hampandrosoana an’i Madagasikara, raha ny fanazavana. Maro amin’ireo Talem-paritra misahana ny fitantanan-draharaha miankina sy  tsy  miankina amin’ny fanjakana  ao Toamasina no tsy zanaky ny faritra fa saika ireo avy amin’ny faritra hafa ka mahatonga resabe. Raha ho fampandrosoana ny firenena tokoa no tanjona dia tsy misy tokony hidiran’ny fiaviana sy ny foko na avy aiza na avy aiza ny sehatra fitantanana, hoy ny fanehoan-kevitra. Midika   ve izany fa tsy fitiavan’ny fitondram-panjakana ny zanak’i Toamasina tokoa ny tsy fananan’ny zanak’i Toamasina maro an’isa eo amin’ny fitantanana  eo amin’ny sehatra samy hafa ao an-toerana sa misy ireo efa mitady sahady hampikatso ny raharaham-pirenena ? Misy lalàna ihany koa ve milaza fa tsy maintsy ny zanaky ny faritra iray niaviany ihany no hisahana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ao amin’ny faritra misy azy?

J. Mirija

 

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT