Politique

Toamasina Mihambo amin'ny iraisam-pirenena Rajoelina


  • Zoma 27 Janoary 2012

Miseho hentitra tamin'ny teniny Rajoelina filohan'ny FAT omaly tany Toamasina. Nilaza izy fa tsy misy firenena manaiky hanome amnistia olona namono olona.

 Fantatra avy hatrany fa tsy maty voalavo an-kibo mihitsy ity filohan'ny FAT ity amin'ny fatahorana ny filoha Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana. Raha ny teniny tany Toamasina mantsy dia hita soritra fa tsy hanaiky ny hiverenan'ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ny tenany. Taorian'ny sabotsy teo anefa vao niantso ny Troika-SADC tany Afrika Atsimo haingana ny filohan'ny FAT nandefa ny solontenany tany an-toerana. Mbola nohariny amin'ny rano mangotraka indray ny fampodiana ny filoha Ravalomanana omaly. Na inona fahamaizana sy hetaheta, hoy izy, tsy fanao ny misotro rano mangotraka fa misy fiantraikany amin'ny fahasalamana izany. Dia ny tantara no hitsara fa raha izao no zava-misy dia ho rava indray ity tetezamita efa iaraha-mitantana ity. Vokany, hitohy ny krizy ka ny vahoaka tsy manan-tsiny no iharan'izany. Manao zinona ny iraisam-pirenena mihitsy mantsy ny fihetsik'ity filohan'ny FAT ity raha io lahateniny omaly io.

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT