«Tsy hisy fampianarana handeha eto raha tsy mivaly ny fangatahanay amin’ny fanjakana. Nefa efa nanao ezaka ny governemanta ka andrasanay ny fahazoana izany amin’ity volana ity vao hisy ny fanapahana vaovao ho raisina ho firosoan’ny fampianarana indray».
Izay no nambaran’ny sampan’ny SEMPAMA Atsinanana mikasika ny firosoan’ny fampianarana eo anivon’ny DREN Atsinanana. Raha ny omaly dia mbola nikatona ireo sekolim-panjakana rehetra. Nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina ihany koa nanaraka izany mba hisoroana ny mety ho fitrangan-jazatra farany teo ka nampisy ady teo amin’ny samy mpianatra. Omaly tolakandro no noraisin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Mahavimbina Alain, ireto biraon’ny SEMPAMA vaovao, nefa araka ny fanazavan’ireto mpanabe ireto dia ny fihaonamben’ny samy mpampianatra izay manana zo hanapan-kevitra sy ny fanapahan-kevitry ny Sempama foibe ihany no mamaritra ny fiverenana mampianatra na tsia ho azy ireo. Hatreto izany dia tsy mbola fantatra ny hiverenan’ireto Sempama Atsinanana ireto hampianatra. Ny teo anivon’ny DREN sy ny talen’ny fampianarana teknika ary ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, izay nampiantona sy nanakatona vonjy maika ny sekolim-panjakana koa dia tsy mbola namerin-teny amin’ny fisokafany indray.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.