Toamasina I

> Nisy lisi-pifidianana roa ?


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

“Nisy lisi-pifidianana roa ?” Io izao no ahiahy be tao Toamasina omaly. Nanaitra ny fisian’ireo olona an-jatony izay hita tamin’ireo birao fandatsaham-bato voatsidika amin’ny 197 misy ao Toamasina I, nahazo kara-pifidianana nefa tsy voasoratra ao anatin’ny lisitra izay lisi-pifidianana nanotana ny karatra.

Ny tao amin’ny EPP Canada aza dia lisitra hafa no nampiasaina nahafahan’ny olona nifidy ny maraina hatramin’ny 8 ora teo, taorian’izay dia nisy lisitra hafa tonga indray izay nambara fa avy amin’ny CED Toamasina I, ka voatery naongana indray ireo vato tao anatin’ny vata fandatsaham-bato, ary niverina am-boalohany ny fifidianana nefa ireo efa nifidy an-jatony teo aloha efa vita ranomainty sy efa nody ary nahavita ny sonia ny karany avokoa. Ny tao amin’ny EPP Esperance Mangarano izay ifidianan’ny vahoakan’ny Fokontany Mangarano II kosa, dia tsy nozarain’ny lehiben’ny Fokantany ny karatra, hany ka nisavoritaka ny olona vonona hifidy nijery ny azy tao anaty baoritra nametrahana azy, ka maro ireo olona nilaza fa very karatra izay nanakorontana ny fizotry ny fifidianana. Nahita ny zava-nisy ireo mpanaramason’ny Vondrona Eoropeanina. Nanoloana izany dia nilaza ny kandida Roland Ratsiraka fa tsy nitana ny teniny ny filohan’ny CENI-T. Nambarany fa lisi-pifidianana “copier – coller” no nampiasaina fa tsy fanavaozana izany noho ny olana ara-bola nandoavana ireo mpandika izany teo anivon’ny CIR atsinanana, ary misy endrika fanilihana mpifidin’ireo kandida atahoran’ny fanjakana izao olana “niniana” nitranga izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT