Omaly talata 12 martsa daty farany fara-fametrahana filatsahan-kofidiana vao nametraka ny filatsahan-kofidiany ny K25-TIM misy an’Atoa Jean Claude Rakotonirina sy Atoa Randrianiarifera Malalaniaina.
Ny fiafaran’ny tolakandro ny omaly talata kosa no nametraka ny azy ny Mapar-Tgv Toamasina nahitana an-dRtoa Naharimamy Irma Lucien sy Atoa Famindra Justin. Tahaka izany koa ny Me Tody Arnaud izay nilatsaka amin’ny tenany manokana na manohana azy amin’izany aza ny fikambanana Mirama izay zanaky ny Mapar ihany nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ankilain’izay dia nametraka ny kandidany koa ny Gasy-Mi ka Atoa Totoriaka Guillaume no mitarika ny kandidan’izy ireo ny 27 mey izao. Ankoatra izay dia kandida ho solombavambahoaka eto Toamasina I koa Atoa Josepha izay nilatsaka tamin’ny anarany manokana, Atoa Roland Ratsiraka amin’ny anaran’ny Mts, Atoa Ratsimbazafy Mamonjy milatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana. Ankoatra izany dia nivoaka ny fepetra vaovao mikasika ireo kandida ho solombavambahoaka nametraka tamin’ny daty farany ny filantsahan-kofidiana izao, fa nomen’ny CENI 72ora tahaka ireo kandida namany rehetra mba hahafahan’izy ireo manitsy izay tsy mety sy mameno izay tsy ampy ary manitsy izay diso amin’ny antontan-taratasin’izy ireo tsirairay avy, izany hoe ny alakamisy tolakandro ho avy izao ny farany famenoana izany, raha ny fanazavana azo avy amin’ny Ovec tamin’ny alalan’ny toro-marika voarain’izy ireo avy amin’ny CENI..
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.