Politique

Toamasina Hatahorana ny hetsi-bahoaka


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Tapa-bolana aty aorian’ireo niparitahan’ny etona “dioxide de soufre” avy ao Ambatovy Tanandava ka nahasempotra olona 53, dia mandeha ny resaka ao Toamasina izao fa nisy ny maty vokatr’io.

 Noho izay fiparitahan’ny tsaho izay, dia nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety sy ny lehiben’ny Distrikan’i Toamasina I, Razafiarisoa Jean Jugus, na dia ny lehiben’ny Distrikan’i Toamasina II aza no misahana ny tanànan’i Tanandava misy ny ozinin’Ambatovy. Nandritra izay no nilazany fa “nisy ary neken’Ambatovy ny fisian’ny fivoahan’ny etona noho ny tsy fetezana teo amin’ny andrana nataony. Nisy ny narary vokatry ny fahasemporana fa tsy misy kosa ny maty. Efa manara-maso izao raharaha izao ny fanjakana, ary efa mandray ny andraikiny amin’ny fitsaboana sy fanaraha-maso ireo olona voan’ny etona ny tetikasa Ambatovy”. Ankoatra izay, dia fantatra fa ho tonga ao Toamasina ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot ny alakamisy ho avy izao, handamina ary hanara-maso ity raharaha ity. Ny zavatra tsikaritra ihany koa dia misy mpanao politika manararaotra ity tranga ity ka mikotrika hetsi-bahoaka.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT