Politique

Toamasina Feno minisitra ireo hotely goavana ny faran’ny herinandro teo


  • Alatsinainy 11 Jona 2012

Mila mitsitsy isika, mila tantanina tsara ny volam-panjakana fa tsy misy ny fanampiana avy any ivelany.

 . Ireo minisitra tsy manana iraka atao tsy mahazo mandeha atsy, tsy mahazo mandeha eroa… Feo heno niainga avy ao anivon’ny filankevitry ny governemanta sy avy eny Ambohitsorohitra isaky ny misy fanontaniana apetraky ny mpanao gazety izany mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny volam-panjakana. Toa lasan-kovavany fotsiny anefa ilay izy raha ny zava-misy tao Toamasina nanomboka ny zoma teo hatramin’ny omaly alahady no jerena. Feno minisitra ireo hotely goavana tao Toamasina.

àMpikambana ao amin’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Beriziky efa ho folo be izao no tany. Ohatrinona izany izao ny faktiora lanin’ny fanjakana Malagasy nivahinianan’ireto minisitra maro tao Toamasina ireto ? Iza avokoa no niantoka izany ? Ilay tahirim-bolam-panjakana izay ambara fa hotsitsiana ve sa hobaben’ny Faritra Atsinanana nivahinianan’izy ireo ? Mila valiny ny vahoaka. Izay no mahatonga azy mitaky sy mitroatra satria toa ny mpiasa madinika sy mpiasam-panjakana foana no terena hitsitsy, fa ny lehibe migalabona amin’ny volam-bahoaka.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT