Toamasina

> Miofana ireo vehivavy hiatrika fifidianana


  • Alarobia 11 Septambra 2013

Tontosaina ao Toamasina mandritra ny hefarana nanomboka omaly ny atrikasa fanofanana ireo vehivavy hirotsaka hofidiana eo amin’ny solombavambahoaka avy amin’ny Faritra telon’ny Faritanin’i Toamasina sy ireo hilatsaka eny anivon’ny fifidianana kaominaly.

Tanjona amin’izao ny hanamafisana sy hanatevenana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy kantidaty na amin’ny sehatry ny fifidianana solombavambahoaka na ny fifidianana kaominaly, ahitana ireo Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ao anatin’ny Faritra Atsinanana manontolo. Mba hanatrarana ny tanjona 50% ny miandraikitra ny fitantanana ny firenena amin’ny taona 2015 dia mba ho vehivavy avokoa araka ny nambaran-dRamatoa Ialfine Papisy tompon’andraikitry ny Genderlinks izay sady tompomarika ny atrikasa miaraka amin’ ny EISA Madagascar. Raha ny zava-misy tokoa no natao indray mijery araka ny antontan’isa naroson’izy ireo ny taona 2002 hatramin’ny taona 2007 dia mbola vitsy dia vitsy tokoa ireo vehivavy efa mitana ny andraikitra raha ho an’i Madagasikara, raha tsapa fa vao mainka nihena ny taha nandritra izao fotoanan’ny krizy teto amin’ny firenena taona vitsivitsy lasa. Santatra ihany izao natao amin’ireo efa manana eritreritra hirotsaka hofidiana izao, fa mbola hiroso lalindalina kokoa ny tetikasa hanentanana ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy amin’ny fitondran-draharaha eto amin’ny firenena.

Fanja

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT