Tafatsangana ny komity mpanohana ny Dr Robinson Jean Louis ao Toamasina ary efa manentana ny olona isan-tokantrano ireo mpikatroka. Hisy hetsika miavaka hataon’izy ireo ny sabotsy izao ao amin’ny boriborintanin’i Morarano, ho fampahafantarana misimisy kokoa ilay kandida “favori” sy ny fandaharan’asany. Mitsangana ao “Ambodisoanambo” Bd Augagneur nisy ny masoivoho ny orinasa Tiko teo aloha ihany koa ny birao manokana hifanakalozana amin’ny vahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka rehetra ary ireo mpikatroka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.