Politique

Toalina Zafindrabary PDS Toamasina “Tsy ho kandida Ben’ny tanŕna aho”


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2012

Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana. Ny volana oktobra 2013 no hanaovana ny fifidianana izay ho Ben’ny tanŕna sy ny mpanolotsain’ny Kaominina. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny Kaominin’i Toamasina, Atoa Toalina Zafindrabary, mikasika ny Kaominin’i Toamasina sy ny politika misy eto amintsika amin’ny ankapobeny ary mikasika azy manokana.

 Tia Tanindrazana (TT) : Enim-bolana izay no naha PDS anao Atoa Toalina Zafindrabary, tao anatin’ny sarotra sy fitokonana lava reny no nametrahana anao hitantana ny Kaominina, manao ahoana izay enim-bolana izay ?

PDS Toalina Zafindrabary (PDS Toalina : Marina tokoa izany fa dia tena fitokonana efa naharitra efa-bolana no nitranga tamin’ny Kaominina no voatendry ny tenako sy ny ekipako. Tao anatin’izay dia naloto ny tanàna, rano miandrona etsy, olana ara-karama teo amin’ny mpiasa. Ny fanadiovana ny tanàna, ny famahana ny olana ara-karaman’ny mpiasa, no natao mialoha, alohan’ny fandaminana ny asa rehetra. Tonga hatramin’ny fampiakarana ho 100.000 Ariary ny karaman’ny mpiasa an-tselika raha toa ka 60.000 Ariary monja ilay izy teo aloha. Teo koa ny fanomanana ny teti-bola entin’ny Kaominina miasa. Ankoatra izay, dia ny fanamafisana ny fiaraha-miasa tamin’ireo tanàna mpirahavavy sy mpiara-miombona antoka amin’ny Kaominin’i Toamasina, toy ny tao Les Quatre Bornes Maurice, ny Kaominin’i Le Port ao La Réunion amin’ny alalan’ny AGAT izay efa vita sonia ny fanaovana ny tolo-bidy ho an’ireo fikambanana hanao ny fanadihadiana amin’ny fanatsarana ny tanana ary ilay fanaovana-tsonia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina Niangbo any Chine izay vonona ny hanampy betsaka ny Kaominina amin’ny fanofanana mpiasa, famatsiana fitaovana, fanatsarana tanàna ary ny fananganana orinasa afakaba ihany koa.

 

TT : Tsotra be hono ianao PDS, toetra ve izy io sa fomba entinao hanarenana ny Kaominina ?

PDS Toalina : Efa toetrako io ary tsy nahitako olana teo amin’ny asako tao anatin’izay folo taona nihazonako ny fitantanan-draharaham-panjakana izay, administratera sivily mantsy ny tenako. Mety ho toetra ratsy ilay izy nefa mino aho fa tombontsoako be izany mba hilaminan’ny asa ataoko sy ny olona feheziko. Nefa mora tezitra kosa aho fa ny mivantambatana no tsy ataoko, satria tsy tiako ny mandratra olona amin’ny teniko.

 

TT : Hita fa toa mangatsiaka ny fiarahanao sy ny lehiben’ny Faritra Mahavimbina Alain, maro no mahatsikaritra izay. Misy ady angaha eo aminareo roa tonta ?

PDS Toalina : Tsia, tsy misy ady eo amiko sy ny lehiben’ny Faritra. Marina fa izahay mirahalahy no niaraka tamin’ny fanombohan’ny fanaovana ny lalana 400m teny amoron-dranomasina, nefa tsy tonga izy tamin’ny fanombohan’ny asa teo anoloan’ny lapan’ny tanàna. Ny fotoana nifandipatra no anton’iny fa tsy hoe miady akory izahay. Ny olana fotsiny mazàna dia izy mpanao politika havanana amin’ny resaka sy fampitam-baovao, izaho kosa teknisiana mpitantan-draharaham-panjakana izay tena votsavotsa mikasika izany ary tsy tao anatin’ny asako hatramin’izay izany dia eo mazàna no olana ka ahitan’ny olona na ianareo mpanao gazety fa mety tsy mifanaraka izahay sy ny lehiben’ny Faritra. Raha misy olona mpamangy sy mifanakalo hevitra matetika aminy angamba isany mba voalohany ny tenako.

 

TT : Natomboka indray ny asa eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Milamina izany ny resaka mikasika azy ity, sa ahoana marina ny tena zava-misy ankehitriny ?

PDS Toalina : Olana teo amin’ny fampitana vaovao no nitranga teo aloha ireny. Efa nisy ny fanarenana azy ary izay no nametrahana io sary be anoloan’ny araben’ny fahaleovantena io. Noho ny fihainoana ny feon’ny olona milaza fa ny lalana no manahirana an’i Toamasina, teo koa ireo nanohana ny fanamboarana ny anoloan’ny Lapan’ny tanàna, dia nisy ny fanitsiana ny asa hatao ka ny ampaham-bola amin’ilay 2,8 arivo tapitrisa Ariary eo amin’ny antsasany eo ho eo ihany no hampiasaina amin’ny asa eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna, ny ambiny nanaovana ny asa lalana 400m eny amoron-dranomasina. Raha tokony hatreny amoron-dranomasina amin’ny araben’ny fahaleovan-tena no tokony hatao, dia ny ampahany eo anoloan’ny lapan’ny tanàna ihany hamboarina.

 

TT : Mafana ny politika tao anatin’izay telo taona mahery ny krizy izay. Aminao mpitantan-draharaham-panjakana sy aminao manokana, inona no azonao lazaina ?

PDS Toalina : Ny tetezamita iainantsika tahaka izao dia mahatonga ny olona mihevitra fa tsy misy ny fanjakana, malemy ny fanjakana, ka afaka manao izay tianay atao izahay satria ny fanjakana aza tonga teo tsy amin’ny safidinay vahoaka. Mety ho marina izay fa ny fanjakana misy foana na eo ny tetezamita na tsy eo. Izay no mahatonga ny firongatry ny fitokonana etsy sy eroa io, izay no mahatonga ny tsy filaminana samy hafa io ankoatra ny basy sy fitaovam-piadina miparitaka noho ny olana ara-politika niainantsika teto hatramin’izay. Na ny fampiharana ny lalàna sy ny didy aman-dalàna aza tena sarotra satria tsy maintsy miresaka politika hatrany raha hamaha azy ireny, na atao hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàna aza izany. Ho an’ny Kaominina manokana, dia miaina amin’izay ihany koa, mba entina handaminana ny raharaha sy ampandehanana ny fiainam-bahoaka.

 

TT : lasa mpanao politika anie ianao izany PDS raha izany teninao izany ?

PDS Toalina : Tsy maintsy miaina ao anatin’ny famahana olana ara-politika ny Kaominina, satria izay mitondra eto koa dia tetezamita tsy voafidy ka maro ny mihevitra fa izay no misy eto anivon’ny Kaominina. Tsy maintsy izay no lalana mba isian’ny marimaritra iraisana sy tsy hifandonana lava amin’ny vahoaka, nefa manaja ny lalàna velona ihany koa. Raha ny hevitro manokana mantsy dia, tsy ho mora vahana ny olana ara-politika raha ny mpanao politika no mpitantana. Ho azy ireo dia ny hazakazaka amin’ny fandrombahan-toerana no mahamaika azy, ka eo no isian’ny olana satria tsy mifampatoky. Raha tiana ny hamahana haingana ity krizintsika ity, dia omeo ny teknisianina lavitry ny politika ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, fa manao mpanara-maso fotsiny ny mpanao politika ary manomana ny filatsahany hofidiana, dia milamina haingana io. Ny teknisianina ihany mantsy no afaka mametraka ny fiaraha-mitantana tena marina ary ny fangaraharahana tena izy raha tiana ny hilaminan’ny raharaham-pirenena.

 

 

TT : Hilatsaka hofidiana ve izany ianao raha izay teninao izay, ilain’ny Kaominina ny olona tahaka anao ?

PDS Toalina : Tsia ! Tsy hirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna mihitsy ny tenako. Hanapitra ny tetezamitan’ny Kaominina ny tenako, dia hamindra ny fahefana amin’izay voafidy Ben’ny tanàna eo no faniriako. Ny politika mantsy araka ny fahafantarako azy dia mila zavatra telo izany lazaiko fa tsy dia ananako, dia ny fahasalamana feno, ny fahaizana amin’ny politika atao sy izay hirotsahana ary ny fananana fitaovana dia ny vola, fitaovana samy hafa ary ny olona.

 

TT : Hamaranana ny resaka, marina ve fa ny famonjenao ny fanasan’ny MTS no nanalana anao ho lehiben’ny Distrika tao Toamasina ? Dia inona ihany koa ny azonao ambara tsy voalazanay teo ?

PDS Toalina : Ny lehibe no mahita izany, fa raha ny amiko dia milamina ny saiko satria aminay mpitandraharaham-panjakana dia misy hatrany ny “analyse des risques” amin’ny famonjena fanasana politika tahaka ireny, nefa mino aho fa tsy izay no antony. Ny teniko farany kosa dia ny fandrosoana dia ny rehetra miaraka mankany aloha fa tsy misy ampahan’olona mihemotra indray. Raha tiana izany ny firenena, ny Faritra, ny Kaominina handroso, dia miaraka mankany aloha avokoa ny Malagasy rehetra ka mifanampy sy mifanohana ary tsy mifanilika amin’ny hevitra tsy mitovy hatrany hahatrarana izany.

 

Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT