Politique

Tintin Ravonison Mandroso ny “Dina 2080” hiadiana amin’ny kolikoly


  • Alarobia 28 Mey 2014

Ny 95%-n’ny Malagasy no tsy mahalala ny lalŕna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Manampy trotraka izany ny tsy fahatakaran’ny maro an’isa ny didim-pitsarana mivoaka satria amin’ny fiteny frantsay ka manararaotra ireo nahita rirany kely amin’ny fiteny vahiny. Ho an’i Tintin Ravonison dia andry iray lehibe sy fototra manana ny anjara toerany sy andraikitra azo hiadiana amin’ny karazana halatra sy kolikoly manjaka eto Madagasikara ny fijoroan’ny Bianco. Dingana voalohany tokony hizorana anefa ny fifanarahana fanoloran-kevitra handrafetana paikady ho fanatanterahana ny asa miandry. Azo ampiharina, ohatra, ny hevitra na “Dina 2080”, hoy i Tintin Ravonison, izany hoe ny 20% no omena an’ireo olona nandika lalàna nangalatra na nanao kolikoly ary ny 80% ambiny kosa dia alain’ny fanjakana ho fananam-bahoaka miampy sazy mihantona 12 volana. Sazy henjana tsy azo ivalozana kosa no miandry ireo sokajin’olona minia mikipy manitsaka ny lalàna velona. Tokony hanatontosa ny fanadihadiana am-panajana sy am-pahamendrehana ireo sokajin’olona mampiahiahy azy ihany koa ny Bianco, hoy ny fanampim-panazavany. Mbola soso-keviny ihany koa ny handrotsahana 100% ireo harena na vola azo tamin’ny tsy rariny ao amin’ny Banky Foibe mba hanampiana ireo Malagasy mila tohana amin’ny fanatontosana tetikasa ho fampandrosoana ny firenena. Momba ny fitantanana ny Bianco indray dia mihevitra ny tenany fa “ny fahasahiana mijoro miaraka amin’ny saina tony, madio sy fanahy mahitsy nefa hentitra no zava-dehibe”.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT