Nisy ny toromarika nomena teo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra nampifanolana ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny Antoko Tiako I Madagasikara Avaradrano
tamin’ny fandrotsahana kandida depiote, ka nidina ifotony nifampiresaka tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona Atoa Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy, izay « chief of staff » eo anivon’ny Antoko TIM. Tsy nisy olana ny lohalisitra izay Atoa Randriambolaina Gerry, fa ny lisitra faharoa sy ny mpisolo toerana kosa no nisy fiovana taorian’ny didin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC dia ny « Arrêt n°21-HCC/AR » nivoaka ny 22 martsa 2019, izay nanapaka fa lisitra voalohany ao Avaradrano Randriambolaina Gerry, ary lisitra faharoa manaraka azy kosa Andrianatsifonantsara Haja. Mpisolo toerana kosa Rakotondrasoa Georges sy Rasoamanandraibe Nomena. Anarana hafa no teo amin’ny lisitra faharoa sy ny mpisolo toerana teo aloha. Somary nampisy olana izany saingy tonga tamin’ilay fomba fiteny hoe ny hisavorovoroan-kilantoana izahay tety Avaradrano, fa efa milamina tanteraka, hoy Atoa Andrianantsifonantsara Haja. Nisy moa ny fihaonana sy fifanomezam-baovao natao tao amin’ny Akanintsoa Ankadikely Ilafy ny tolakandron’ny sabotsy teo nanazavana fa miravona ny karazana tsy fitovian-kevitra ary iray tsy mivaky ny ekipa. Tao anatin’izany rahateo no niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ny kandida lohalisitra Randriambolaina Gerry fa betsaka ny zavatra nifamahofaho teo aloha fa efa nisy ny fifampiresahana satria ny tanjona dia iray dia ny hibatana ny fandresena, ka hiaraha-manao ny hetsika rehetra manomboka izao. Manamafy ny heriny ny TIMK25 Avaradrano, ka ny hanao pao-droa no tanjona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.