Politique

TIM Tolagnaro Ravalomanana miverina eto ihany


  • Talata 13 Septambra 2011

Manamafy ny firaisankinany ary manomboka miverina amin’ny heriny ny antoko Tiako I Madagasikara ao Tolagnaro, indrindra taorian’ny nilazan’ny filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana fa tsy atokisana intsony Rakotoarison Yves Aimé na i Memé sy ireo izay nisintaka nanompo ny FAT fa mpamadika.

 Nisy fanentanana sy famondronana ny mpikambana eny ifotony tato ho ato, ary dia manamafy izy ireo fa tokana ny tanjon’ny mpikambana dia izay hiverenan’ny filoham-pirenena sady filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ary ny hamerenana azy ho filoham-pirenena indray amin’ny fifidianana. Anisan’ny nivoitra ireo hevitra ireo raha nifamotoana tao amin’ny tranon’ny Senatera teo aloha, Mosa Tahiry ao Bazaribe ny mpikambana ny sabotsy 10 septambra teo.

Namelona indray ny fanantenan’ny mponina ao Tolagnaro, indrindra fa ireo mpikambana Tiako i Madagasikara, rahateo koa ny nandrenesan’izy ireo ny feon’ny filoha Ravalomanana tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray ao an-toerana, ny herinandro lasa teo, manazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena ankapobeny, indrindra ny famahana ny krizy sy ny mikasika ny antoko tarihiny ihany koa. Atoa Roland moa no anisan’ireo nijoro hamelo-maso ity antoko ity tao Tolagnaro ary mbola manohy ny fitetezana ireo Kaominina miisa 26 ao anatin’ny distrikan’i Tolagnaro manohy ny fanentanana ireo mpikambana eny ifotony sy hiomana amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ihany koa. Tao Manambaro sy ny manodidina izy ny sabotsy teo nanazava ny fipetraky ny tontolo pôlitika eto Madagasikara miainga amin’ny toromariky ny Birao foibe eto Antananarivo.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT