Tsy eto an-toerana ihany no mihetsiketsika ny antoko Tiako I Madagasikara fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa aza.
Nanana solontena tany New York nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikambana Atoa Marc Ravalomanana sy ny TIM, dia Rolland Ravatomanga, minisitry ny rano teo aloha sy Jean Pierre Rakotoarivony masoivohon’i Madagasikara tany Etiopia teo aloha ary Guy Rivo Randrianariso, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5 Antananarivo. Nihaona tamin’Andriamatoa Graham Maitland, talen’ny raharaha politika ho an’ny faritr’i Afrika ao amin’ny firenena mikambana nandritra ny ora iray sy sasany ireto delegasionin’ny TIM ireto ny talata lasa teo. Omaly indray dia naharitra adim-pamataranandro iray no nihaonan’izy ireo sy nifampidinihana tamin’i Tayé-Brook Zerihoun, solontenan’ny sekretera jeneraly lefitry ny firenena mikambana momba ny raharaha politika. Diplaomasia sy politika no anton-dresaka tamin’ireo fihaonanana ireo ka anisan’ny nodinihana ny momba ny fanovana ny lalàmpanorenana eto Madagasikara sy ny zava-misy amin’ny ankapobeny eo amin’ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena. Teboka lehibe 4 no voaresaka nandritra ireo fihaonana. Ny voalohany dia ahiana hitarika korontana ny fanovana lalàmpanorenana ka tokony hahamailo ny fianakaviambe iaisam-pirenena fa tsy hihinana amam-bolony izay ambaran’ny mpitondra Malagasy fotsiny. Faharoa dia efa goavana loatra ny tsy filaminana sy ny fahantrana manerana ny nosy. Ny fahatelo dia momba ny kolikoly izay mahazo vahana amin’ny sehatr’asa sy ny rafitra rehetra eto Madagaskara. Ny fahefatra dia ny fijalian’ny vahoaka noho ny fanaovana bodongerina amin’ny tany ipetrahany. Azo ambara fa mafy ary matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana sy ny ekipany ary tsy azo hamaivanina mihitsy. Fa ny tena zava-dehibe dia ny fananan’izy ireo finiavana hikaroka hatrany ny vahaolana rehetra amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifampiraharahana mba hanomanana ho avy mendrika kokoa ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy ka anton’izao dia tany New York izao. Miomana ny hitondra firenena indray ny Tiako i Madagasikara ka tsy miandry propagandy vao mihetsika fa efa hatramin’ny 2009.Soa lavo hahay hamindra ary maro ny fomba fiasa sy ny paikady tsy maintsy navaozina, natsaraina mba hahafahana manatratra io tanjona io. Vonona ny mpiara-miasa eto an-toerana, vonona ihany koa ny any ivelany. Datim-pifidianana sisa andrasana .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.