Politique

TIM sy Ankolafy Ravalomanana – Toliara Tsy mivadi-belirano amin’i Dada


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Naharitra 30 minitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no niditra nivantana an-telefaonina ka nitafa tamin’ny olony nivory tao amin’ny “Restaurant Croix du Sud Tanambao Toliara” ny sabotsy 15 septambra teo, nandritra ny fanazavan-kevitra momba ny raharaham-pirenena nataon’ny minisitry ny fiompiana Roland Ravatomanga avy amin’ny birao foibe.

 Nambaran-dRavalo ary naverimberiny matetika fa “tsy maintsy mody ary tsy ho ela intsony dia hihaona isika fa aza matahotra fa minoa fotsiny ihany. Minoa an’Andriamanitra ary araho tsara ny toromarika fa aza mety avilivilin’ny olona mpamitaka ireny ianareo, indrindra ny aty Toliara”. Manomboka izao, hoy izy tamin’ireto mpiaradia aminy dia “Izaho Marc Ravalomanana no filohan’ny Tiako I Madagasikara fa mpisandoka ny ivelan’izay”. Nampiany anatranatra izany. “Mahaiza mifanaraka sy mifanakalo hevitra ary mifanaja sao dia finganin’ny sasany mpanongam-panjakana ireny izay mampahantra antsika toy izao”. Nohamafisiny tamin’ny fidirana an-telefaonina ity fa “izay teneniko ihany no marina” ary nofaranany hoe : “minoa fotsiny ihany fa tsy maintsy mody aho Dadanareo. Tsy marina ihany koa ny filazana fa notazonina ny paspaoroko”. Horakora-pifaliana moa ny nandraisan’ny vahoaka izany.

Nifoha tamin’ny torimasony

“Tokony hohamafisina amin’izay ny rafitra hatrany ifotony ary isika tsy manaiky hitsakitsahin’olona izany. Fohazo, tairo ny namana rehetra hanomana sahady amin’izay ny fifidianana ny 8 mey 2013, “1er tour de vita” fa tsy misy resaka intsony io ary hanao kongresy isika rehefa tonga i Dada atsy ho atsy”, hoy Roland Ravatomanga, minisitry ny fambolena ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena sady mpikambana ao amin’ny birao nasionalin’ny Tiako i Madagasikara. Mbola nohamasin’i Roland Ravatomanga fa “mila mitolona mafy isika fa efa akaiky ny fandresena». Nahitsy ny hafatry ny Pr Napetoke Marcel, filoha mpiara-mitantana any Atsimo-Andrefana fa “tsy miady an-trano na misara-bazana izany ny Tiako i Madagasikara aty Toliara”. “Mijaly sy miha mahantra ny vahoaka aty ka ny filoha Ravalomanana ihany no fanafody sy farafanavotana”, hoy kosa ny CT Manoela Ralaimampisainarinony.

Ny azo ambara aloha dia nifoha tamin’ny torimasony indray ireto Zanak’i Dada ireto, rehefa ela no tsy re ary izao vao milaza hihetsika amin’izay fa nahazo toky tamin’i Marc Ravalomanana avy atsy Afrika Atsimo. Fotoam-pivavahana sy firedonana ny hira faneva izay noforonin-dRavalomanana moa no nisantarana ny fotoana ny sabotsy teo io.

E. R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT