Nahasadaikatra ny ankamaroan'ny nanatrika ilay fanambarana nataon'ny V8 ny filazana fa vondrona valo izy ireo nefa toa folo no natolotra tao, saingy notononina taraikiraiky ny TIM tarihan-dRaharinaivo sy ny GMMR miaraka amin'i Yves Aimé Rakotoarison, izay samy nisintaka ny ankolafy Ravalomanana avokoa.
Ireo vondrona valo mantsy dia voarafitry ny AREMA, Les AS, Escopol, HPM, MDM, UAMAD, TGV ary ny UDR-C. Ireo ihany koa no fantatra fa Vondrona 8 ankoatra ny Ankolafy telo hatramin'izay. Iretsy roa hafa kosa, dia ireo nitonon-tena ho nisolotena ny ankolafy Ravalomanana tamin'izany fotoana, izay nihevitra fa raha niditra izy ireo dia ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Efa notaterina teto omaly ihany koa fa tsy tazana tao amin'ny taratasy nanaovan'ny V8 fanambarana tetsy Anosikely ny anaran'ny TIM sy ny GMMR, ary tsy notononina ihany koa ny anaran'ireo nisolotena azy ireo raha tsy tao amin'ny Carlton.
Ny ankamaroan'ireo nanontaniana mikasika ity resaka ity moa dia namaly boraingina fotsiny hoe “ataovy folo raha izay no mety”. Ny hafa kosa nilaza fa efa niara-nihosona hatramin'ny fanaovana rangopohy ireo ka tsy azo avela. Ny TIM Raharinaivo dia hita taratra fa efa nialokaloka tany amin'ny Escopol ary anisan'ireo nanangana io vondrona io mihitsy tamin'izany fotoana, mety mbola mahita hisarangotana ihany, fa ity GMMR, izay efa nisintahan'ny ankamaroan'ireo lazaina fa roa ampahatelon'ny ankolafy nialany ? Mety mbola ho voan'ny tsipaka ambavafo ihany koa raha...
Ny fanehoan-kevitra tao ho ao ihany koa dia nilaza mazava fa ireo nanao rangopohy ny sori-dalana ihany no hanao sonia izany. Eto anefa dia mahalasa saina ny mpanara-baovao maro manerana ny Nosy ny mikasika ny GMMR sy TIM, indrindra raha hanao sonia ny Ankolafy telo. Vondrona 11 ihany mantsy no nambaran'ny SADC fa hanatanteraka ny sonian'ny tondrozotra. Dia ho hitan’ny havany eo tokoa !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.