Politique

TIM Raharinaivo sy GMMR Any amin'ny CST sy CT sisa no miandrandra


  • Talata 22 Novambra 2011

Na dia maro tokoa aza ny endrika vaovao tao anatin'ny governemanta vao nitsangana omaly, dia tsy nahatazanana olon'ny TIM Raharinaivo sy GMMR intsony izany.

 Enin-dahy izy ireo no minisitra tao amin’ny governemanta Vital farany teo dia Rakotoarison Yves Aimé, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Dr Raharisaina Hery minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina, Ngolo Gilbert, minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Rafatrolaza Bary minisitry ny fiompiana, Vyvato Rakotovao, minisitry ny fambolena ary Riana Andriamandavy VII minisitry ny fizahantany sy ny taozavatra. Ireto farany izay ninia nanakipy ny masony fony tsy mbola hita izay mangirana sy hevitra niraisan'ny ankolafy samihafa.

Jodasy, hoy ny filazan'ny maro azy. Taratra tamin'ity governemanta ity sahady na dia efa tsinjo hatramin'ny nahavitan'ny sonian'ny tondrozotra aza, fa voan'ny tsipak'ombalahy izy ireo. Any amin'ny CST sy ny CT sisa manarina. Tsy mbola voafaritra ihany koa anefa ny mety ho isan'ny toerana ho azon'izy ireto eo anivon'ireto andrim-panjakana roa ireto, satria tsy anisan'ireo nanao sonia ny tondrozotra fa sonia fanohanana fotsiny ihany. Efa andro maromaro no nahatazanana azy ireo ho nanana fihetsika somary hendratrendratra be izany, toa tsy mahatoky tena raha ny marina. Marihana fa mahatratra 52 no isan'ny CT TIM Raharinaivo ankehitriny, raha 21 no ao amin'ny CST. Tsy mbola nahazo toerana akory kosa ny an'ny GMMR tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison dia efa izao voan’ny daka mandrivorivo izao sahady. Asa aloha izay mety ho tohiny sy fitrangany fa ampitso koa mahita izy...

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT