Politique

TIM Moramanga Tsy maintsy kandidà i Marc Ravalomanana


  • Talata 13 Martsa 2018

Nambaran-dRandriamamizafy Ignace, Ct teo aloha avy any Moramanga, tao anatin’ny hetsika fifampiarahaban’ny mpikambana TIM Moramanga nahatratra ny taona 2018 nokarakarain’ny COM TIM Moramanga tarihan’ny filohany Haja Andrianavony, tao amin’ny Hotel Emeraude tampon-tanàna,

 

 fa tsy maintsy ho kandidà filoham-pirenena amin’ity 2018 ity ny filoha Marc Ravalomanana ka tsy tokony hiroaroa saina isika TIM eto Moramanga fa  adidintsika ny mampandany azy hiverina eo amin’ny fitondrana indray. Nohazavainy tamin’ny mpikambana TIM tao Moramanga koa fa tsy misy hifandraisany mihitsy ny TIKO AAA sy ny filoha Marc Ravalomanana ka tsy tokony hisy fifandraisan’ny « etat 211 bis » an’ity AAA ity sy i Marc Ravalomanana velively. Tsy mbola nisy koa, hoy izy, maneran-tany fitakiana an’izany « Casier judiciaire » n° 2 izany tamin’ireo fifidianana natao. Ny Ct taloha Manoela Ralaimampisainarinony kosa, izay iraky ny foibe TIM avy aty amin’ny foibe niaraka tamin’ny Ct Ignace ka nitondra ny fanazavana rehetra nilaina mikasika an’izany fifidianana ho avy izany, dia nankahery an’ireo mpikambana TIM tao Moramanga fa tsy mihemotra izany isika ary aoka tsy hanaiky raviravin’ny fanambatambazana vola etsy sy eroa fa tsy ho tafavoaka amin’izao kizo mahazo antsika izao isika raha tsy ny filoha Marc Ravalomanana no miverina mitondra ny firenena indray, ary tsy mitombina, hoy izy, izany hoe olona nanongam-panjaka sy namotika fananam-pirenena tahaka an-dRajoelina no milaza fa hoe hanarina an’ity firenena ity indray. Ny fatahorana an’i Marc Ravalomanana no mahatonga izao antsojay atao aminy izao, hoy ity Ct Tim taloha ity ka raha mahay mifanaraka tsara isika rehetra dia « 1er tour » io dia vita. Nohamafisin’ny filohan’ny REG TIM Alaotra Mangoro, Ramanotronarison Charles Emile, tonga nanotrona ny lanonana tamin’ny teny nataony izany ka nilazany fa « mila TIM mifankatia, miray hina, miray saina ary sahy mijoro mba hahafahana mahazo  fandresena. Aza maty hanin-kely, hoy ity filohan’ny Reg Tim Alaotra Mangoro ity,  fa ny fandresen-dahatra tsimoramora ny olona hifidy ny filoha Ravalomanana no hatao ary halavirina ny fanaratsiana olona.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT