Valalanina ny olom-pirenena eo anatrehan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika. Gidragidra ny eny anivon’ny antenimieram-pirenena, saingy toa afaka mifandamina ihany ireo heverina ho mpifahavalo politika, toy ny TIM sy ny MAPAR, eny fa hatramin’ny HVM aza.
Toa mahay mifanatona sy mifampiresaka ihany rehefa misy zavatra marary sy tolona iaraha-manana. Mandeha ny adivarotra politika, dia maneho fahatongavan-tsaina sy fiombonana na tsy mitovy hevitra aza. Tsy mba azo hitarina sy velarina fiombonana amin’izay ve mba hisorohana ny rombo ara-politika lava eto ? Rehefa mitovy ny zavatra marary dia miara-mitolona, saingy tsy hay na ho tafita hatramin’ny farany na ho rendrika an-dalana. Hitohy sy hitazona ny foto-keviny tokoa ve ireo nilaza ho mijoro fa tsy mety ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana sa sanatria rehefa mitombo ny habetsaky ny mena miraviravy, ka mety hivadika ho gony ny malety dia hiova hevitra ihany ? Hahay hifandresy lahatra amin’ny tena fikatsahana ny tombontsoan’ny firenena tokoa sa mba mifanao sinema hipotsahan’ny vola aman-karena ? Mandeha ny fifandresen-dahatra eny antsefatsefany eny, ka dia miandry izay ho tohiny ny rehetra satria mbola hisy andro maromaro hampangina kely ny raharaha Tsimbazaza taorian’ny fahataperan’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa omaly. Ny fahita matetika dia mifanatona rehefa misy ny tombontsoa itoviana ka mitovy ihany ny tadin-dokanga amin’iny, saingy ny vahoaka valalanina sy very fanahy mbola velona tsy mahalala akory izay politika maloto mihodinkodina any. Niray loha ny MAPAR sy ny TIM teny Tsimbazaza. Tsapa ho ho manao vazaha mody miady ihany koa anefa ny HVM sy ny MAPAR, raha tarafina amin’ny tsy dia fisian’ny antsojay politika atao amin’i Andry Rajoelina, fa ny mifanebaka madinidinika no hita manoloana ireny fitetezam-paritra ireny. Ravalomanana anefa nezahina nopotehina vao mihetsika kely. Fahavalo iraisan’ny MAPAR sy ny TIM ny HVM amina lafin-javatra iray, dia mba miaraka izy ireo. Fahavalo iraisan’ny HVM sy ny MAPAR indray ny TIM, dia toa manao sinema ihany koa ireo. Maro loatra ny sinema politika eto, ka fanina tanteraka ny mpiara-belona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.