Olona mino an’Andriamanitra aho ! Matoky aho fa tsy havelany irery isika, ary fantatro mihitsy fa nihasahirana. Tsy hiteny zavatra betsaka aho ankoatra ireny didy tsy azo nivalozana tsy maintsy nekentsika ireny.
Mino aho anefa fa mbola ho avy ny fotoana ary tsy ho very ny fanantenantsika, raha mbola misy ihany koa ny farany. Io no anisan’ny teny nambaran’Andriamatoa Marc Ravalomanana nandritra ny fanolorana sy nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ho solombavambahoaka, mirotsaka amin'ny anaran'ny antoko Tiako i Madagasikara omaly alatsinainy 25 martsa tany Soavinandriana. Mitarika ny lisitra voalohany i Andrianary Mandimbisoa Mampianina na “Mampy”, izay tanora vao erotrerony fantatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany. Laharana faha-9 moa izy ireo ao anatin’ny bileta tokana. Nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza fa ireo no tena ho solombavambahoaka ary tsy hanangan-tanana fotsiny. Ny depiote dia mijery ny tombontsoan’ny vahoaka, ka raha ohatra ka tsy miankina ianao, dia ianao irery izany no hanangan-tanana ao tsy ao anaty antoko politika, hoy izy. Tsy mba misy an’izany any amin’ireo firenena matanjaka, tahaka ny any Angletera na Frantsa, raha ny fanehoan-keviny. Tsy hoe tsy tiako ireo, tiako ireo fa tsy manaraka ilay fitsipiky ny antoko (discipline de parti), hoy izy manoloana ireo kandida tsy miankina avy tao anaty antoko.
Hanao poa-droa…
Tsy an’ny depiote irery ny soa fa an’ny vahoaka, ka farafahakeliny 109 ny solombavambahoakantsika TIM K25 eto Madagasikara, ary aza matahotra ianareo fa tsy hivadibadika izany ireo, fa tonga dia hesorina tsy hiala ao anatin’ny depiote intsony raha vao manao izany, hoy izy.Midika izany fa mihevitra ny hanao poa-droa ka hahatafiditra solombavambahoaka 2 avy hatrany amina distrika maromaro ny TIM K25. Vahoaka mahay mandray andraikitra ny eto Soavinandriana hatramin'izay, ary hijoro hatramin'ny farany amin'ny foto-kevitra izay ijoroantsika. Nafana ny resaka sy fihaonana tamin’ny vahoaka, izay nanamarika indray ilay fihetsika tsotra sy tsy manisy elanelana amin’ny rehetra ankafizan’ny olona azy. Tanora dia tanora ny kandidan’ny Antoko TIM ao Soavinandriana, ary tsikaritra tamin’ny fihaonan’ny rehetra omaly nandritra ny fihaonana fa ny fanantenana dia misy ary efa mandindona sy hita taratra ny fandresena amin’ity indray mitoraka ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.