Fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao, fisaorana ny mpanohana tamin’ny ezaka rehetra natao tamin’ny fifidianana filoha fihodinana voalohany sy faharoa, ary ny lehibe indrindra dia ny fanolorana ny kandida depioten’ny antoko TIM eny amin’ny Boriborintany
faha-2, tarihin-dRandrianarisoa Stanislas na «Rastany » eo amin’ny lohalisitra no tontosa teny Ambohitsoa ny sabotsy teo. Atoa Rabenandrasandraravola Tahianjanahary no lisitra faharoa, Atoa Razandrindrainy Longin no fahatelo, ary Rtoa Ravomanana Mamy Nirina no fahaefatra. Ireo lohandohan’ny mpisorona isaky ny fokontany 24, ny avy amin’ny FOKTIM sy DISTIM, ny olom-boafidy sy ny mpanolontsaina monisipaly, ny delege avy amin’ny boriborintany faha-2,… no nisolo tena ny vahoaka. Tsy manao propagandy sanatria raha milaza fa hatramin’ny naha depiote ahy dia tena nanao asa soa sy asa sosialy, hoy Rastany. Marina, hoy izy, fa mpanao lalàna mpanao izahay, saingy niaraha-nahita ny tao Tsimbazaza fa na nanana hevitra tahaka ny inona aza ianao hampandrosoana ny firenena, rehefa tsy tian’ny mpitondra ao ambony dia tsy lany. Ny maha depiote sisa dia ny manao tatitra amin’ny vahoaka ny zavatra tsy mety, ary manao izay zavatra tena maika sy laharahampahamehana tsy hitan’ny fanjakana ary nanampy ny kaominina tamin’izay tsy arany. Adidy ataony farany ity sao dia mba hiova izany, fa tsy hanao tahaka ny sasany satria saika hijanona, kanefa viravirain’ny sasany fotsiny ny maha solombavambahoaka, raha ny nambarany. Mbola betsaka, hoy izy, ny zavatra tokony hataoko sy angatahan’ny vahoaka amiko, ka hohezahiko hovitaina amin’ity taom-piasana manaraka ity raha sitrapon’Andriamanitra. «Nahafaly ahy ny nanolotra ny kandida izay Rastany. Ataovy izay hampandaniana azy, fa ny antoko no jerena, ary raha nisy tsy mety na nisy zavatra tsy nahafa-po teo aloha dia ataontsika izay hanintsiana azy fa aza matahotra ianareo , hoy izy. Ataovy izay hisian’ny firaisan-kiana, fa mino aho fa hanao poa-droa isika. Ataovy izay hanentanana ny vahoaka, ary tsidiho daholo ny faritra rehetra”, hoy kosa i Marc Ravalomanana izay niditra tamin’ny antso an-taribia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.