Politique

TIM Ihorombe Efa manomana ny fifampiarahabana ny taona vaovao


  • Talata 28 Novambra 2017

Nivory tao Ihosy renivohitry ny faritra Ihorombe ny antoko TIM any amin’iny faritra iny notarihin’ny Reg TIM, Velomana Roger, sy ny DISTIM Ihosy, Gabriel, ary notronin’ireo ComTIM ao amin’ny Distrika Ihosy sy ny DISTIM Ivohibe sy Iakora, ny sabotsy 25 novambra 2017.

Fanamafisana orina ny rafitry ny antoko sy fifanentanana hiomana hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena 2018 no fototry ny fivoriana tamin’izany. Efa nampiomana mialoha an’ireo mpikambana rehetra ny filoha Rezionaly TIM fa tsy maintsy manao ny fety fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao amin’ny janoary 2018 ny TIM  Faritr’Ihorombe ary amin’io ihany koa no hanaovana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Antoko TIM any an-toerana.  Hita ho velombolo avokoa ny  mpikambana rehetra tafahaona indray tao anatin’izany fivoriana izany ary manam-pahatokisana ny hahita an’i Dada ho eo amin’ny fitondrana indray amin’ny taona 2018.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT