Nivory tao amin’ny Magro Toliara ny TIM any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana notarihan’ny REG TIM, Sazalahy Tsianihy ary nahitana an’ireo biraon’ny DIS TIM Toliara I,
Toliara II, ny DIS TIM Morombe sady Ben’ny tanànan' Ambahikily, Mur AZADY sy ny COM TIM, FOKO TIM,VEHIVAVY TIM, JEUNE TIM avy amin’iny Faritra iny ary ireo mpiara-mitolona rehetra ao Toliara, ny fiandohan’ity volana aogositra ity (ny 06 aogositra 2017). Roa sosona ny hafalian’ny rehetra satria tonga nandalo nanatrika ny fotoana sy nametrapetraka ny toromariky ny antoko tarihany ny prezidà Marc Ravalomanana. Herinandro taorian’izay, ny 12 aogositra dia nahazo nianjaika ny Tee-Shirt vaovaon’ny Tim ny rehetra. Nisongadina tao anatin’ny fivoriana ny fampiroboroboana ny antoko TIM any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny resaka fampandaniana “1 er tour” amin’ny ara-dalàna ny prezidà Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 2018.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.