Politique

TIM Boriborintany faha-6 Miomana fatratra amin’ny fifidianana


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Lanonam-be ny teny Espace Sansas Ambodihady Ambohimanarina, nisian’ny fifampiarahabana teo amin'ny TIM Boriborintany faha-6 sy ny vahoaka ho firaisankinan’Ambohimanarina sy Antehiroka "Enin-dray, enin-dreny" ary fisaorana azy ireo noho ny ezaka vita sy ho fiomanana amin'ny dingana manaraka.

 

 

 

 Manodidina ny 2100 ireo vahoaka tonga notronin’ireo Raimandreny lehibe nahitana ny Depiote teo aloha Marie Horace Rasoanoromalala, ny Talen'ny Fampielezan-nasionalin’ny K25 Atoa Rabenja Tsehenoarisoa nisolotenana an’i Marc Ravalomananana ka nampitondra ny hafatra, ary nisy rahateo ny fidirana mivantana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana, ny solontena nalefan’ny Ben'ny Tanana Antananarivo Renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana,…  Naneho ny fahavononany amin’ny ady rehetra mbola hatrehina ny rehetra, toy ny fifidianana solombavambahoaka efa tena akaiky. Nisy ny firarian-tsoa tamin’ny antso nataon’ny Filoha nasionalin’ny TIM, dia i Marc Ravalomanana izay nirary hatrany ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kiana ho an’ny rehetra. Fanambintsika ny hanao poa-droa eto Ambohimanarina amin’io fifidianana solombavambahoaka io, ary tsy depiote roa ihany no tanjona fa ny hahazo ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena, hoy kosa ny Talen’ny fampielezan-kevitra nasionaly Atoa Rabenja Tsehenoarisoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT