Politique

Tim Boriborintany faha-5 sy ny fifidianana amin地y 2018 Ho lohalarana amin地y fampandaniana ny Filoha Ravalomanana


  • Talata 14 Febroary 2017

Naseho ampahibemaso, tao anatin地y lanonana fifampiarahaban地y antoko TIM 5� teny amin地y kianja maitson但nalamahitsy ny sabotsy lasa teo, ireo mpikambana Distim vaovaon地y Boriborintany faha-5 eto Iarivo notarihan地y filohany, Ramasitera Ralph.

Nambarany tsy am-pisalasalana teo  antrehan’ireo mpikambana marobe sy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry TIM tonga nanatrika ny fotoana  fa ho lohalarana ny Boriborintany faha-5 amin’ny fampandaniana ny ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Toy izany koa ny fanampiana an’i Neny Lalao Ravalomanana ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra amin’ny fampandrosoana ny Tanàna. Maro ireo manampahefana nanatrika toa an’ireo solombavambahoaka notarihan’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Me Hanitra Razafimanantsoa, ny minisitra Ravatomanga Roland, ireo mpanolotsain’ny tanàna CUA ary ny delege ao amin’ity Boriborintany faha-5.  Nanambara ny solontenan’ny birao politika TIM foibe, ny minisitra Ravatomanga Roland, ankoatra ny fampitana ny fiarahabana avy amin’ny filoha nasionaly, fa taonan’ny fakana bahana ho an’ny antoko TIM manerana ny nosy izay tsy misakana ny fampandrosoana an’i Madagasikara ity taona 2017 ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan窶冢y Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ツォFirenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT