Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2018 ny sabotsy teo ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Boriborintany fahefatra. Tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana izany, notarihin’ny solombavambahoaka Randriamandimbisoa Felix.
Nisy nandritra izany ny dinika nifanaovan’ny mpikambana sy ny fametrahana paikady matotra, noho ny fahafantarana fa betsaka ny sakana entin’ny sasany haminganana ny kandidan’izy ireo mba tsy ho afaka hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. Na izany aza dia efa vonona tanteraka izy ireo, efa tafapetraka ihany koa ny fototra rehetra hahafahana miatrika izany. Nafana ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana izay nofaranana tamin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo. Nisy ihany koa ny fanaovana dihy Zumba notanterahin’ireo tanora mpikambana ka ny masoandro nody no nampalahelo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.