Vonona tanteraka ny handray ny filohan’ny antoko Marc Ravalomanana izay hitsidika any amin’ny renivohitry ny Faritanin’i Toliara amin’ny fiandohan’ny taona vaovao 2018 io ny TIM ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Nanatanteraka fivoriambe notarihan’ny filoha mirahalahy mpiara-mitantana ny RegTim any an-toerana, Atoa isany Napetoky Marcel sy Sazalahy Tsianihy, omaly tao amin’ny Magro Toliara, ny rafitra TIM misy sy mijoro ao Toliara I sy Toliara II niaraka tamin’ireo oloben’ny tanàna sy ny Tokobe Telo. Nivoitra tamin’izany fa samy handray ny tandrifiny avy ny tsirairay eo amin’ny fanentanana ny olona rehetra hitsena ny filoha Marc Ravolomana amin’io fandalovana any Toliara io sy hitaona ny olona hanatrika azy ao amin’ny kianjan’i Magro Toliara fa tsy an’ny TIM irery ny filoha Ravalomanana fa an’ny vahoaka Malagasy manontolo indrindra ireo mizaka ny fahasahiranam-piainana ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.