Politique

TIM Arivonimamo Miomana hamerina an’i Dada eo amin’ny fitondrana


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Mbola tsaroan’Arivonimamo ny asa fampandrosoana nipaka tamin’ny fiainan’ny mponina sy hita taratra teny anivon’ny kaominina nandritra ny fitondrana Marc Ravalomanana. Mangetaheta ny hiverenany indray eo amin’ny fitondrana ny any an-toerana. Handray andraikitra izy ireo, dieny izao anatin’ny zotram-pifidianana izao.

Mialoha lalana amin’izany fandraisana andraikitra izany ny Tiako I Madagasikara ao anatin’ity Distrika ity. Nisy ny fanavaozana ny birao mpitantana ny antoko na DISTIM Arivonimamo. Nandray anjara  avokoa ireo mpitarika ny antoko avy amin’ireo kaominina miisa 23 mandrafitra ny distrikan’Arivonimamo, nandritra ny fifidianana notanterahina omaly. Nitarika ny ny hetsika tany an-toerana ny solombavambahoaka Rakotomanjato Rodin, araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana. Voafidin’ny maro an’isa, ho filoha hitarika ny DISTIM Arivonimamo manomboka izao Raherison Tantely Victorien. Hanetsika sy hanentana ny mpikambana eny ifotony izahay, hoy ity farany, “hiomana amin’ny famerenana indray ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondrana, hanohy ny asa fampandrosoana efa natombony. Izay no nirotsahanay tanora, hisian’ny vitrika amin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikitra miandry anay. Tsy vitanay irery anefa izany fa iantsoana ny rehetra hifarimbona, satria ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana”. “Birao hiasa, ary asa miteraka vokatra tsara, tsy handiso fanantenana ny vahoaka no andrasana amin’izy ireo”, hoy ny depiote Rakotomanjato Rodin tamin’ny toromarika nomeny.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT